Miainga amin’ny teny maharary sy ny fanambadiana ary ny esoseo ao anatin’ny tokantrano na any am-pianarana izany izay mipaka hatreny anivon’ny fiaraha-monina ary mihanaka manerana ny firenena iray manontolo mihitsy. Rehefa ny zaza iray mantsy no lasibatr’io herisetra ara-tsaina io raha araka ny fanazavan-dRawillison Francesca, Filoha mpanorina ny ONG Omena dia hampihariny avy hatrany eny anivon’ny fiaraha-monina ilay ratra anaty hiainany ary tsy mitsahatra izany. Ny hanapaka izany no antom-pisian’ity ONG iray ity, antony nanosika azy ireo hanome fiofanana ireo olona 26 mianadahy izay navoaka ho educateur communautaire teny amin’ny Radisson Blu Ambodivoina ny faran’ny herinandro teo. Niofana nandritra ny 6 volana izy ireo ka anisan’ny tanjona ny hampihena na hampitsahatra mihitsy izay herisetra ara-tsaina mahazo ny ankizy eny anivon’ny fiaraha-monina izay. Lasa tsy afaka mivelatra ara-tsaina mantsy ny ankizy tojo izany hany ka tsy afaka manampy ny firenena ihany koa. Anisan’ny efa nampiharan’izy ireo izay fiofanana noratovony izay ohatra ny teo anivon’ny EPP Andavamamba. Nampianariny ny mpianatra nandritra izany ny fomba fanavahana ny fihetseham-po toy ny fifaliana, ny alahelo, ny tahotra…hahafahana mandanjalanja ny teny aloaky ny vava sy ny fihetsika tokony hatao rehefa tojo izany. Nahazo lesona ny ankamaroan’ireo mpianatra raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly Razanamalala ka taorian’izay dia nanjary nanam-pitiavana sy nahay nanampy ny namany izy ireo no sady nahafehy ny fiteny sy fihetsika mety handratra ny hafa ihany koa. Taorian’ity sekoly iray ity sy ireo namany hafa moa dia fantatra fa hiara-kiasa amin’ny sekoly Institution Sainte Famille indray ny ONG Omena hahafahana manampy ireo mpianatra hihoatra izay herisetra ara-tsaina mety hianjady amin’izy ireo izay. Nanomboka tany amin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany moa no nidiran’ny herisetra ara-tsaina teto amintsika.
Pati
Legende : Ireo educateur communautaire navoakan’ny ONG Omena teny amin’ny Radisson Blu Ambodivoina ny faran’ny herinandro teo !
Niakatra ny fanjifana tao anatin’ny 2 taona, miakatra 5% isan-taona ny filàna herinaratra,
Nisy fiakarany ny fampiasam-bola mivantana avy avy any ivelany (IDE) tamin’ny taona 2024,
Fety goavanambe no hotanterahina ao anatin'ny kaominina Ivato, distrikan'Ambohidratrimo
Am-pifaliana no ilazàna amintsika fa nanaiky ny fandaminana ny tsena eto Antehiroka
Mirongatra be amin’izao fotoana izao ny antsoina hoe «Punaises de lit» na haom-pandriana,
May ny tsenan'i Miandrarivo any amin'ny distrikan'i Faratsiho.