airtel

Actualités

12-mars-2024

HERISETRA MIFOTOTRA AMIN’NY LAHY SY VAVY

Nanaovana fifanakalozana tetsy amin’ny Carlton Anosy

Sample post image

Mbola tena manjaka sy mahazo vahana ny herisetra eto amintsika.

12-mars-2024

Tsy mijanona ho an’ny vehivavy sy ny ankizivavy irery izany fa maro ihany koa ireo lehilahy lasibatra. Efa maro ireo fikambanana misehatra amin’izany amin’ny ankapobeny saingy na izany aza mbola tsy ampy ny ezaka vita. Anisan’ny antony nanatanterahana ilay fifanakalozana avo lenta momba ny ady amin'ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy tetsy amin’ny Carlton Anosy izany omaly Alatsinainy 11 Martsa. Mitsidika ireo tany Afrikanina tatsimo sy tatsinanana ny talem-paritry ny UNFPA ankehitriny. Nisy ny fihaonany mivantana tamin’ireo karazana fikambanana miady amin’ny herisetra izay teo amban'ny fitarihan-dRamatoa Mialy Rajoelina, vadin'ny Filohan'ny Repoblikan'ny Madagasikara. Firenena efatra no mandray anjara amin’izany dia ny Nosy rahavavy Maurice, Comores, Seychelles ary Madagasikara. Ankoatra ny fizarana ireo dingana rehetra efa vita amin'ny ady hatao amin’ny herisetra doa nodinihina nandritra izany ihany koa ireo asa mbola miandry ny tsirairay. Notolorana ny marika ny maha "championne de la lutte contre les violences basées sur le genre" azy Ramatoa Mialy Rajoelina, vadin'ny Filohan'ny Repoblika nandritra izany, ho fankasitrahana azy tamin’ireo ezaka efa vitany. Anisan’ny tranga tena nampalahelo sy nanohana ny maro teto amintsika farany teo moa ny fisian’ilay zazavavy kely vao 6 taona monja voaolana sady niharan’ny herisetra teny Imerintsiatosika teny.

Pati
Legende : Notolorana ilay narika maha- championne de la lutte contre les violences basées sur le genre azy tahaka izao Rtoa Mialy Rajoelina !

 

Dans la même rubrique

23-juin-2025

Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga

Card image cap
23-juin-2025

Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha

Card image cap
23-juin-2025

Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.

Card image cap
23-juin-2025

Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,

Card image cap
23-juin-2025

Tsy tokony ho gaga isika raha mahantra ny firenena»

Card image cap
23-juin-2025

Raha tontolon’ny fiompiana, fikarakaràna, fampiadiana akoho dia sahinay ny miteny,

Card image cap