airtel

Actualités

19-mai-2025

Hetsika ara-tontolo iainana, fiarahamonina,…

Atao fehy atao fotsiny, tsy mety mahomby

Sample post image

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

19-mai-2025

Mahita ireo fihetsiketsehana isan-karazany ataon’ny sehatra samihafa eto amin’ny firenena, indrindra, moa fa ataon’ny fitondràm-panjakàna dia lasa mipetraka ny fanontaniana hoe inona moa izany no tena tanjon’ireny fihetsiketsehana samihafa ireny? Toa tsy mahagaga raha zary manao hetsika hita ho tsy misy tanjona koa ny ankamaroan’ireo fikambanana, rafitra na «organisation», sampan’asa samihafa eto amin’ny firenena hatramin’izao taona 2025 izao. Atao fehy atao fotsiny ireo hetsika sy fanentanana fanao eto amin’ny firenena fa toa tsy voasaina akory hoe hitondra inona ho an’ny fiarahamonina eto amin’ity Madagasikara ity? Io izao etsy akaikin’ny lisea Nanisana dia misy ilay fanentanana hoe «Arovy ny sosona ozonina!» na «couche d’ozone ». «Ahenao ny fampiasana CFC sy HCFC!», hoy ilay fanentanana. Firy isan-jaton’ny malagasy moa no mahalala ity hoe CFC, indrindra hoe «Chlorofluorocarbures» no fanalavana azy, izany hoe isan’ny tena mandrafitra ny «gaz à effet de serre», na entona manimba? Maninona raha tsorina fotsiny hoe aoka izay ny fampiasana ireny fiara sy kodiaran-droa be setroka ireny dia mba azon’ny sarambabem-bahoaka izy amin’izay? Firy isan-jato koa no mahalala izany hoe HCFC na «Hydrochlorofluorocarbures», izay vokatr’ireo setroka amin’ny ozinina? Firy isan-jaton’ny malagasy koa no hanana fotoana sy finiavana hamaky karazam-panentanana tahaka itony? Tsy efa tamin’ny andron’ny fitondràna Ratsiraka ve izany fomba fanentanana izany no efa naverimberin’ny serasera samihafa hoe tsy mety?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-juil-2025

Roa andro aty aorian’ny dinika iombonana momba ireo Nosy Malagasy natao tany Frantsa

Card image cap
02-juil-2025

Nankalazaina omaly teny amin’ny Masoivoho Amerikana eto Antananarivo ny

Card image cap
02-juil-2025

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny orinasa Jirama. Nanao fivoriambe izy ireo omaly 01 jolay 2025,

Card image cap
02-juil-2025

Misy toe-javatra hafahafa mikasika ny famatsiana solika eto Madagasikara.

Card image cap
02-juil-2025

Vondronosy kely miisa 5 manodidina an’i Madagasikara ireo nantsoina talohan’ny taona 1979 hoe

Card image cap
02-juil-2025

Miatrika atrikasa mendrika fiofanana ireo mpampianatra eo anivon'ny Akanin'ny Marenina 67ha.

Card image cap