Faritra Ihorombe andro vitsy lasa izay. Nodorana ny 28 May lasa teo izy ireo tao Ankadilanambe.Ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny tribonaly ambaratonga voalohany Ihosy no nitarika ny fandorana izay notronin'ny lehiben’ny kaomisaria Ihosy, ny Prefet, ny Governora ary ny avy amin'ny Zandarimaria. Vokatry ny fiaraha-miasa avy amin'ny olona tsara sitra-po nanome loharanom-baovao ny Polisy no nahatratrarana ireo rongony ireo. Ny 11 May lasa no tra-tehaka ny rongony miisa 34 kitapo tany amin’ny lalam-pirenena faha-7, raha tsiahivina. Nandositra avy hatrany ireo olona nitondra izany raha vantany vao nahita ireo mpitandro filaminana. Ny 12 May teo kosa no tratra tao amin'ny fokontany Anadabo kaominina ambanivohitra Ankily ny gony miisa 08 nandritra hetsika fitsirihana nataon’ny Polisy.Nodorana tamin'io fotoana io ihany koa ny rongony miisa 10 kitapo izay saron'ny avy ao amin'ny Zandarimaria Ihosy.
Pati
Légende : Nodorana tahaka izao ireo zava-mahadomelina tratra !
Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka
Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa
Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa
Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly
Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo
Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny