miompana amin’ny fampiroboroboana ny famoronana maharitra sy manaja tontolo iainana eo amin’ny tontolon’ny lamaody. Ireo maintimolaly fito mianadahy nandray anjara tamin’ny International Visitor Leadership Program (IVLP) 2020 miompana amin’ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny lamaody no hitantana izany, ka fito mianadahy izy ireo: Tachou, Vida ; Jean Gaona, Eva Lambà, Sariaka Rah; Phanala; Lucka. Mikendry ny hanaitra ny sain’ny be sy ny maro momba ny fiantraikan'ny indostrian'ny lamaody amin'ny tontolo iainana sy hanohana ny vehivavy mpandraharaha misehatra eo amin’ny tontolon’ny lamaody ary hampiroborobo ny fiaraha-miasa eo amin'ny mpandraharaha maintimolalin’ny programa vatsian’ny governemanta amerikana vola ity « Metamorphose » ity. Hampivondrona ireo mpamorona lamaody matihanina ireo ahafahany mizara ny traikefa azon’izy ireo avy amin’ny IVLP sy amin’ny maha-matihanina azy amin’ny alalan’ny andiana hetsika isankarazany, toy ny fampirantiana, ny valan-dresaka sy atrikasa ary hetsika filatroana izay mifantoka amin’ny famoronana lamaody maharitra sy manaja tontolo iainana. Mialohan’ny hetsika filatroana hatao ny 21 jona ao amin’ny Masoivoho Amerikana eny Andranomena dia hanao valan-dresaka sy fampirantiana mandritra ny roa andro ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Antananarivo ny 11 sy 12 jona ireo mpanorona lamaody ireo hampisehoan’izy ireo ny asa famoronana nataony izay manaja tontolo iainana sy hiresahan’izy ireo momba ny fiantraikan’ny lamaody amin’ny tontolo iainana. Manome tosika ny mpandraharaha eto an-toerana izahay ary manome azy ireo fitaovana sy torolàlana ilaina amin'ny fanondranana ny vokatra “Vita Malagasy” mankany ivelany, sady manamafy bebe kokoa ny fifandraisana ara-barotra sy ara-toekarena eo amin'i Etazonia sy Madagasikara, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka
Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa
Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa
Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly
Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo
Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny