Itony mba topazo maso kely ihany rams sao mahasoa anao aa… hoy ilay tovovavy. Afaka metatra maromaro tovolahy indray, am-panajana tanteraka ty ry zoky mba asio jery kely aa... Sarin'olona, toa kandida ilay izy miaraka amina soratsoratra mazava tsara… vinany angamba ireo. Tafiditra anaty taxi-be eo anilako eo, mpianaka miady hevitra kely mahare fandaharana amina onjam-peo mandeha ao anatin'ny fiara. Ny hevitra tsy voatery hitovy fa dia mifanaja ry zareo, ndao lesy hiala amin'izay fa tonga isika ah, hoy ilay rainy amin'ilay zanany lahy. Finaritra ery ny maso mitazana ireo peta-drindrina maro loko misy sary… Fampelezan-kevitra tokoa moa kay izao ee... Henjana ilay miasa alina fa mora renoky ny torimaso any anaty taxi-be. Taitra tampoka aho, naneno be ilay akoho teo akaikiko entin'ilay razoky. Mandomando ny lalan-tsaran'ilay betax fa nisy nitondra gony feno anandrano… Mikotaba ny resevera sy ny mpandeha fa hoe nisangôjy ny famerim-bola. Mety ho tara fidirana any amin'ny birao indray angamba fa mitohana ny fifamoivoizana, mibahan-dalana ry mpanao propagandy sady mitabataba be vao maraina... ny azy ireo ihany no fantany, rehefa mba resehana dia hoe karama ny anay ka aza mifampiteniteny fa ianao angaha razoky no hamelona anay a ! Nofy ririnina marina ee... Fa na izany aza manantena fa indray andro any ooo....
Tia Tanindrazana
Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga
Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha
Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.
Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,
Raha tontolon’ny fiompiana, fikarakaràna, fampiadiana akoho dia sahinay ny miteny,