Tsara ambiny omaly maraina ny jeneraly Ravalomanana Richard raha nentina teny amin'ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin'ny kolikoly (PAC) 67 ha. Tsy nisy alaharo alaharo fa dia tena hoe gadra entina miatrika fitsarana. Herintaona lasa izay anefa tahaka ny hoe : izy no sefo lehibe teto ary tena nanao vava be tamin'ireo nitolona nitaky ny fialan-dRajoelina. Teo no nivoaka ilay fehezanteniny malaza hoe : Izahonaza adalaina an " .Hatramin'ny mpitandro filaminana aza tamin'ireo nisy nahazo teny gasy taminy. Ankehitriny tena anaty raharaha sarotra ity manamboninahitra jeneraly zandary ity ary mety tsy ahavonjy azy ireo galona sy mariboninahitra filanjany fahiny rehefa manatrika lanonana izy. Tena mafonja ireo loham-piampangana hanenjehana miaraka amin' iireo voampanga hafa momba ny raharaha Boeing 777 ny fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena, fanararaotana andraikitra, kolikoly, famotsiam-bola, fikambanan-jiolahy, hosoka sy fampiasana hosoka, fisandohana andraikitra. Mbola resaka hafa ilay izy hoe nisandoka andraikitra ka efa filohan'ny antenimierandoholona fa tsy miasa eo anibon'ny zandarimariam-pirenena intsony kanefa voalaza fa nanome baiko mpitandro filaminana tamin'ireny tolona ny taona 2025 ireny. Io ilay efa namoahan'ny fitsarana didy : 10 taona asa an-terivozona, nampiakatra avy hatrany moa ny mpisolovava azy. Raha ny raharaha Boeing 777 dia manodidina ny 5 ka hatramin'ny 10 taona an-tranomaizina ny sazy ho an'ny loham-piampangana iray raha voaporofo fa tena meloka marina ilay olona. Mbola hitohy moa ny fitsarana ity raharaha ity koa dia ho hita eo.
RTT