airtel

Actualités

26-mai-2011

Actualités

Jiosy Gasy Voaroaka omaly teo amin’ny By-Pass

Sample post image

Ny lehiben'ny faritra Analamanga no tonga teny amin'ny By-Pass omaly vao maraina be tamin'ny 6 ora nifampiresaka tamin'ireo Jiosy Gasy nanorim-ponenana tao ambany tetezana mandika an’Ikopa iny.

26-mai-2011

 Samy nilaza ny tany niaviany avy tamin'io tompon'andraikitra io ireo Jiosy Gasy. Vita izay dia tonga ny Emmo-Reg niaraka tamin'ny fiara Minibus miisa telo. Ny iray mianatsimo any Toliara, ny faharoa miantsinana mankany Toamasina ary ny farany mankany Mahajanga. Nisy tamin'ireo Jiosy Gasy no tsy nanaiky mihitsy ny hiakatra tao anaty fiara fa noteren'ny miaramila ary voavelin'ny vodibasy mihisy aza. Andro vitsy lasa izay dia nisy ny hetsika natao teny amin'ny By-Pass nandroahana ireo mpivarotra manamorona iny lalana iny. Voakasik’izany koa ireto mitonona ho Jiosy ireto kanefa tsy nety niala, na efa noravana trano aza. Araka ny fantatra dia baiko avy amin'ny minisitry ny Fanajariana ny tany no nandroahana ireto jiosy malagasy ireto.

 

Rakoto Maxime

Dans la mĂŞme rubrique

23-oct-2026

Sinoa iray tratra nitondra volamena

Card image cap
23-oct-2026

Manome lanja ny tontolon’ny

Card image cap
23-oct-2026

Misy vatsim-pianarana 12 hiofanana atsy Maorisy

Card image cap
23-oct-2026

Hiverina amin’ny heriny, eny

Card image cap
22-oct-2026

tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…

Card image cap
22-oct-2026

Notsipahan’ny HCC ny andininy miisa roa

Card image cap