airtel

Actualités

26-mai-2011

Actualités

Jiosy Gasy Voaroaka omaly teo amin’ny By-Pass

Sample post image

Ny lehiben'ny faritra Analamanga no tonga teny amin'ny By-Pass omaly vao maraina be tamin'ny 6 ora nifampiresaka tamin'ireo Jiosy Gasy nanorim-ponenana tao ambany tetezana mandika an’Ikopa iny.

26-mai-2011

 Samy nilaza ny tany niaviany avy tamin'io tompon'andraikitra io ireo Jiosy Gasy. Vita izay dia tonga ny Emmo-Reg niaraka tamin'ny fiara Minibus miisa telo. Ny iray mianatsimo any Toliara, ny faharoa miantsinana mankany Toamasina ary ny farany mankany Mahajanga. Nisy tamin'ireo Jiosy Gasy no tsy nanaiky mihitsy ny hiakatra tao anaty fiara fa noteren'ny miaramila ary voavelin'ny vodibasy mihisy aza. Andro vitsy lasa izay dia nisy ny hetsika natao teny amin'ny By-Pass nandroahana ireo mpivarotra manamorona iny lalana iny. Voakasik’izany koa ireto mitonona ho Jiosy ireto kanefa tsy nety niala, na efa noravana trano aza. Araka ny fantatra dia baiko avy amin'ny minisitry ny Fanajariana ny tany no nandroahana ireto jiosy malagasy ireto.

 

Rakoto Maxime

Dans la mĂŞme rubrique

08-sept-2026

Famatsiam-bola 1,085 miliara dolara

Card image cap
08-sept-2026

tsirairay no tsy hampiverina krizy intsony»

Card image cap
08-sept-2026

Voatendry ho Filohan’ny

Card image cap
08-sept-2026

Nahazo kits starlink 300 misy

Card image cap
07-sept-2026

demokrasia no tena mipetraka ny kolikoly»

Card image cap