na Bolida, izay mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra teo aloha na Barea, hoy ny fampitam-baovao voaray ny faran’ny herinandro teo. Raha toa ka i Etazonia sy Azia no mànana fiara 100% mandeha tsy voizina na «automatique» dia miroso tsikelikely mankany koa ankehitriny i Eoropa noho ny fahaizana sy finiavan’i Julia, hoy ny fanazavana. Araka ny nambarany dia tsy mpanamboatra fiara akory izy fa manampy ny mpamily hanana fahafahana na «liberté» tsikelikely eo amin’izany familiana fiara izany. Porofon’izany ny tsy voatery hametrahan’ny mpamily ny tanana eo amin’ny familiana na «volant» sy ny tongotra eo amin’ny isatra na «frein», «embrayage» sy «accélérateur» na fivoy. Isany natao andrana tamin’izany ny fiara Renault Cenic 2024. Raha jerena dia misy «radar» na fitsikilovana eo ambonin’ny mpamily izay manome toromarika azy raha toa ka elabe izy vao mametraka ny tanana eo amin’ny familiana foana satria tsy tena mbola 100% «automatique» ilay fiara. Misy «radars» anankiroa ny amin’ny sisin’ny fiara andaniny sy ankilany, izay manara-maso ny couloir izay misy ilay fiara. Ary misy « capteurs » efatra aloha sy aoriana manara-maso ny fiara izay eo aloha sy any aoriana, raha ny fanazavana hatrany. Natao hanampy bebe kokoa ny mpamily araka izany ity teknolojia vaovao nentin’i Julia Nomenjanahary ity fa tsy sanatria akory natao hahavariana ny mpamily ka ny asa manaraka, hoy i Julia, dia ny hametraka «radars» ihany koa, izay hanara-maso ny mpamily sy hanaitra azy ireo amin’ny karazana fialam-boly na «distractions» izay mety hitera-doza mandritra ny familiana fiara.
J. Mirija
Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga
Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha
Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.
Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,
Raha tontolon’ny fiompiana, fikarakaràna, fampiadiana akoho dia sahinay ny miteny,