airtel

Actualités

14-oct-2026

KAOMININA AMPITATAFIKA

18% monja ireo mponina

Sample post image

mandoa hetra

14-oct-2026

Mbola tena ambany ny tahan’ny fandoavan-ketra ho an’ireo mponina ao anatin’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano. 18% monja isan-taona mantsy izany nefa tsy maintsy alaina ao anatin’io ny karaman’ny mpiasa, ny solika hampiasain’ny kaominina hanaovana ny asa fanadiovana. Toraka izany koa ilay 10.000 Ar isan-taona isan-tokantrano tokony alohan’ny mponina amin’ny fandraofana fako. Mahatsiaro ho sahirana ny kaominina noho izany noho ny hamaivanan’ny fandraisan’anjaran’ny mponina. Izany indrindra no nanosika azy ireo hiara-kiasa amin’ny ONG GRET, ireto farany izay tena mankasitraka ny kaominina Ampitatafika ihany koa amin’ny fomba fiasany. Tonga nanolotra fitaovana toy ny kamiao kely entina mandroaka fako sy fiara hitaterana maloto hatao vidanza ho an’ity kaominina ity omaly ny ONG GRET. Tanjona hoy ny roa tonta ny hiarovana sy hitandroana ny fahasalaman’ny mponina. Hanampy betsaka amin’ny fitaterana ny fako ao Ampitatafika ny fahatongavan’io bajaj io taorian’ny fahasimban’ireo bisikileta maromaro hoy ny Ben’ny tanana. Raha ny 70% -n’ireo fako no voatatitra tanteraka teo aloha noho izany dia hiakatra 75% izany manomboka izao.
Pati
Legende : Nahazo fitaovana hanadiovana tanana tahaka izao ny kaominina Ampitatafika !
 

Dans la même rubrique

14-oct-2026

lamandy 4 tapitrisa Ar, onitra 1 miliara Ar

Card image cap
14-oct-2026

ny FFKM fa misy te hanakorontana…

Card image cap
14-oct-2026

Vita ny fampitandremana, irosoana ny sazy

Card image cap
14-oct-2026

Hametrahana « Parc de loisirs

Card image cap
14-oct-2026

Notoloran’ny Ministeran’ny

Card image cap
12-oct-2026

navadika ho lasantsy

Card image cap