airtel

Actualités

16-oct-2026

KAOMININA

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

Sample post image

Notoloran’ny Masoivohon’i Sina fitaovana

16-oct-2026

Kaominina miisa 6 ao amin'ny distrikan'Ambohidratrimo no fantatra fa notoloran’ny Masoivohon’i Sina fitaovana mitentina 5000 dolara afak’omaly Alarobia 14 Oktobra. Nahitana panneau solaire, batterie, imprimante, ordinateur, sy ireo maro samihafa izany izay mifanaraka amin'ny filàn'ny kaominina tsirairay avy. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ireo kaominina ireo amin'ny masoivoho Sinoa izay miasa sy monina eto Madagasikara izany. Tonga nanolotra ireo fitaovana ireo ny solombavambahoaka voafidy tao Ambohidratrimo Johnny Rakotoarisoa ary nanome toky fa tsy hatahorana ny ho fitohizan'ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta na dia nisolo aza ny ambasadaoro miasa eto Madagasikara izay handao antsika tanteraka ny datin’ny 26 Oktobra ho avy izao. Tsiahivina moa fa mbola maro amin’ireo kaominina eto Madagasikara no tsy ampy fitaovana. Mitarika ny fahataran’ny asa sy ny tsy fahombiazana maro samihafa izany, antony nanosika ny depiote Jhonny nitady vahaolana.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fitaovana !
 

Dans la même rubrique

16-oct-2026

no nampanamboatra ilay sary

Card image cap
16-oct-2026

banga 18MW ny famokarana

Card image cap
16-oct-2026

Fahazotoana sy fikirizana

Card image cap
16-oct-2026

400 isa isan-taona ny fangatahana

Card image cap
15-oct-2026

Niteraka resabe,

Card image cap
15-oct-2026

ireo tompon’andraikitra Tranga iray voajanahary

Card image cap