airtel

Actualités

01-oct-2024

Kaomisionin’ny Ranomasimbe Indianina

Tafapetraka amin’ny toerany i Edgard R.

Sample post image

Tontosa omaly tatsy amin’ny Nosy Maorisy ny fandraisam-pahefan'Andriamatoa Edgard Razafindravahy,

01-oct-2024

Sekretera Jeneraly faha-10 ho an’ny Kaomisionin'ny ranomasimbe Indiana. Izy ihany koa no Malagasy faha-telo mitazona izany andraikitra izany taorian' i tompokolahy Rasolondraibe Henri, izay Sekretera Jeneraly voalohany ny taona 1989, sy i Esoavelomandroso Monique Andréas, ny taona 2004. Isan’ny fanamby nambarany fa hatao ny hampiroboroboana ny famokarana ao amin’ireo Nosy Mpikambana satria fanamby tena iraisana sy itoviana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ka ezahana hametrahana faritra hahafaha-mampitombo an’izany isaky ny firenena, raha sitrak’ireo mpitondra. Ankoatra io, hotanterahina ao Nosy Be ny fihaonana an-tampon'ireo filoham-panjakana sy governemanta an’ireo firenena mikambana ao anatin’ny Kaomision’ny Ranomasimbe Indiana (COI) ny voalohan'ny taona 2025.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-juin-2025

Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga

Card image cap
23-juin-2025

Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha

Card image cap
23-juin-2025

Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.

Card image cap
23-juin-2025

Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,

Card image cap
23-juin-2025

Tsy tokony ho gaga isika raha mahantra ny firenena»

Card image cap
23-juin-2025

Raha tontolon’ny fiompiana, fikarakaràna, fampiadiana akoho dia sahinay ny miteny,

Card image cap