Vita ny fampitandremana ary irosoana ny sazy, hoy ny minisitra tomponandraikitra, raha ny mikasika ny kolikoly eo amin'ny asam-panjakàna no resahina. Hentitra ny minisitry ny asa, fampananana asa ary ny asam-panjakana, Denis Franconio, raha nitodika tamin’ireo mpandraharaham-panjakàna nandritry ny fananganan-tsaina ny alatsinainy 12 oktobra 2026 teo. Notsipihiny fa tsy handeferana ny kolikoly ary tafiditra ho anisan’ireo fanamby lehibe apetraka ao anatin’ny fanavaozana ny repoblikan’i Madagasikara ny famongorana izany. Manomboka amin’ny fitandreman’ny tsirairay ny tenany ny ady amin’izany ary mitohy amin’ny fiambenana sy fitorohana ireo izay zatra manao lalan-dririnina. Nanamafy ny minisitra fa tsy maintsy hisy ny fandraisana fepetra ho an’ireo izay voamarina fa manao izany. Takiana ihany koa ny fametrahana ny anarana, ny andraikitra na anjara asa ary ny lehibe mpifehy eny amin’ny varavaran’ireo birao handraisana ireo manan-draharaha mba hanamorana ny fanaraha-maso sy ny fahafantarana ireo minia mandika lalàna. Ho an’ny fitantanan-draharaham-panjakàna madio, mangarahara ary tomponandraikitra, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin'i J. Mirija