airtel

Actualités

31-août-2026

Krizim-pitokisana !

Mampisaintsaina lalina ny

Sample post image

toe-javatra samihafa mitranga

31-août-2026

eto amin’ny Firenena. Ho an’ny fiainam-pirenena, nahavelom-bolo ny finiavana sy ny fiaraha-mientana herintaona latsaka kely, dia ny fanapahan-kevitra handrodana ny jadona sy fanjakan’ny tsimatimanota. Nahatsapa rivo-baovao ny Malagasy, ary toy ny nofy ratsy ny niainana ny hirifirin’ny famoretana sy famoana vahoaka, saingy tsy arakarak’izay ny sary nitranga, fa nitsimbadika tao anatin’ny fotoana fohy ny tantara. Toy ny nialana enta-mavesatra ny Malagasy, niova ny tsio-drivotra politika,… Na izany aza, na ekena aza fa misy ny finiavana ary mba mety misy fihatsarana kely noho ny teo aloha ny famahana ireo olana sasany eto amin’ny Firenena, dia tsy takona hafenina ihany koa ankehitriny ny toe-javatra sy trangan-javatra mety manamaloka ilay fanantenana. Tsy voatery hahafaly sy hahafa-po ny rehetra ny zava-misy, izay mitaky ezaka haneho ny tsara kokoa hatrany avy amin’ny fitondrana fanavaozana. Aorian’ny lamina vaovao ateraky ny tapaka ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena, ny fanatsarana ara-politika samihafa aoriana, ny fanapahan-kevitra mikasika ny lamina sy rafitra vaovao hipetraka,… no tena fototra iorenan’ny fanavaozana saingy tsy voatery hiandry izany. Tsy tena mbola milamina 100% ny fiainam-pirenena, mbola betsaka ireo ambana ara-politika sy sosialy, tsy tambo isaina ireo endrika fanakorontanana sy faminganana. Noho ny zava-misy, mafampana ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena, hendratrendraka,…Misy ny mivaona tanteraka, te hampiasa hery, te hanao fitsaram-bahoaka,… eo anatrehan’ny fahitana zavatra tsy rariny sy mahatsiravina toy ny vono olona. Betsaka no baikoan’ny fo, tsy matoky manam-pahefana sy fanjakana ary lalàna,… Na mety na tsy mety fanapahan-kevitra misy dia samy mandrirotra amin’izay mahafalifaly azy. Mazava ho azy fa mbola misy fifampitaizana sy fifanabeazana betsaka mila atao eto. Misy fifampitokisana mila haverina sy hatsaraina, mila fifampitondrana mahomby ao anatin’ny fifanajana, tamberin’andraikitra araka ny tokony ho izy,… mba hamerenana ny krizim-pitokisana !
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Namonjy ny volany 100 000Ar, kinanjo natelin’ny rano i Dety

Card image cap
02-sept-2026

10 taona asa an-terivozona an-tranomaizina !

Card image cap
02-sept-2026

an'i Madagasikara amin'ny bisikileta

Card image cap