airtel

Actualités

25-juin-2024

Actualités

Lanonam-pankalazana ny fetim-pirenena Nampitandrina ny be galona ! Hosamborina izay mihoa-pefy

Sample post image

Hampitomboina ny mpitandro ny filaminana mandritra ny lanonam-panamarihana ny faha-64 taona

25-juin-2024

nahazoana ny fahaleovantena etsy Mahamasina rahampitso, ary tsy hitsitsy fa hisambotra avy hatrany ireo manohintohina izany, raha ny fanambaran’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny alalan’i lehibeny notarihin’ireo eo anivon’ny governemanta omaly. «Izay manohintohina ny fanehoan’ny olona ny fitiavan-tanindrazana dia tsy maintsy handraisana fepetra. Efa misimisy ihany ny olona miteny sy mitondra ny olona handeha hanao an’izao, fa rehefa misy mihoa-pefy dia tsy maintsy mandray fepetra ny mpitandro ny filaminana», hoy ny Jeneraly Andry Rakotondrazaka Minisitra delege misahana ny zandarimariam-pirenena. Inona izany no atao an’ireo ARFM na Antenimieran’ny Raiamandreny Foko Malagasy sy ireo izay hamaly ny antsony nilaza fa hanao hetsika am-pilaminana hilanja sora-baventy eny Mahamasina ? Azo adika ho fihoaram-pefy ? « Mazava ny tanjona dia mba tsy hisy tomika ny fankalazana ny fetim-pirenena, tsy misy resaka fahapotehana entana na ratra, fa indrindra fa famoizana ain’olona », hoy kosa ny Jeneraly Ravoavy Zafisambatra, nitondra tenin’ny Emmo-Nat. Tafiditra ao anatin’ny handraisana fepetra hentitra ny anio 25 jona izay hanoloran’ny Filoham-pirenena afomanga etsy Anosy sy ny fanatanterahana ny matso “grand podium national” rahampitso 26 jona. Nomena toromarika ireo mpitandro filaminana isan’ambaratongany ny amin’ny tokony hisorohana izay mety ho endrika korontana. Ho hentitra ny mpitandro ny filaminana amin’ny fisavana, hoy ny Jeneraly Ravoavy Zafisambatra nanamafy. Nisy ny fanentanana ny vahoaka tsy hitondra zava-maranitra, tavoahangy vera ary “laser” izy ireo. Takiana anatin’ny fepetra tokony hajaina ny filaharana hiditra ao amin’ny kianjan’ny Barea, izay nambara fa hivoha amin’ny 5 ora maraina ny vavahady. Nisy ny fanentanana ny olom-pirenena hampilaza avy hatrany ny mpitandro ny filaminana raha misy trangan-javatra mampiahiahy izy ireo. Nambara ihany koa fa efa misy ny lamina napetraka amin’ny fiarovana ny tobim-pamokarana herinaratra ary ny tobin-tsolika. Mahatratra 3770 moa ny hery Fiarovana Filaminana ary ny mpiantsehatra rehetra amin’ny fandriam-pahalemana hanatanteraka ny matso lehibe eo amin’ny kianjan’ny Barea ny 26 jona, raha ny tatitra.
Toky R


 

Dans la même rubrique

24-juin-2025

Miha zava-doza hatrany ny delestazy, saingy tsy manam-bahaolana ny Fanjakana.

Card image cap
24-juin-2025

Nitsotra indray ny SERA (Sehatry ny Raiamandreny) manoloana ny

Card image cap
24-juin-2025

Ankoatr’ireo lasan’ny Sinoa, dia mbola nisy ambikambiny toa notaterina heverina fa

Card image cap
24-juin-2025

Raha tsy misy ny fiovana farany, hiakatra fitsarana anio talata 24 jnona i ny mpanao gazety Fernand Cello

Card image cap
24-juin-2025

Mitohy ny antsojay mahazo ireo mponina eny Imerintsiatosika,

Card image cap
24-juin-2025

Ho fanamafisana ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany mandritra ny ny fankalazana

Card image cap