Ireo mpitandro ny filaminana indray no saika nokasihiny tanana
Nitrangàna toe-javatra namohehitra tany amin’ny distrikan’i Nosy be, faritra DIANA omaly. Lehilahy iray nandrenesana fofon-toaka no fantatra fa nampitondra zaza tsy ampy taona iray quad. Nosakanan’ny mpitandro filaminana io quad nentin’ilay zaza io ka romotra ilay rangahy niaraka taminy. Teo an-danin’izay anefa dia teo afovoan-tanana izy no nampianatra ilay zaza izay manodidina ny 15 taona eo ho eo hoy ny vaovao. Tsy mila sakanana izahay, “Assurance Parentale” no miantoka azy raha sanatria mitera-doza ny familiana hataony, ka miàla 1 metatra akaikinay eto ianareo fandrao petahiko aminareo iny ”menotte” an-tànanareo iny, hoy ilay Rangahy heverina fa mamo, sy nandrenesana fofon-toaka. Tsy vao sambany fa efa matetika manao ny fandrahonana tahaka izao ity rangahy ity, raha ny fanazavana, voalaza ihany koa fa mirehareha ho mahafantatra olona ambony ao an-drenivohitr’i Nosy Be izy ka tsy misy azo atao aminy. Niezaka ny nanao ny adidy tandrify azy moa ny mpitandro ny filaminana na izany aza.
Nangonin’i Pati
Legende : Afovoan-tanana sy be olona tahaka izao no nampianaran’ilay Rangahy ilay zaza nitondra quad !