airtel

Actualités

09-avril-2024

LEHILAHY TRATRY NY FAMOIZAM-PO

Hita faty nanantonten-tena tao am-piangonana

Sample post image

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 32 taona no fantatra fa hita faty niantona tao am-piangonana tao Ambohitsiroa-Est, distrikan'Ambohidratrimo, andro vitsy lasa izay.

09-avril-2024

Raha araka ny fantatra dia tena tsy zakany intsony ny olana nosedrainy tamin’ny fiainana ka naleony nisafidy handao ny tany. Isan'ireo mpianakavy nipetraka tao amin'ilay trano may teny Ankadifotsy Befelatanana vao andro vitsy lasa izay ny tenany. Nisaraka tamin’ny Renin-janany ihany koa izy…Manatitra "cacapigeon" amin’ireny mpivarotra enta-madinika ireny anefa no mba asany. Namono tena izy vokatr’izany, izay voaporofon’ireo tompon’andraikitra tonga nanao fizahana ny razana. Ireo vehivavy mpivavaka ao amin’ity fiangonana ity no naheno fofona hafahafa tamin’ny Sabotsy teo. Rehefa nojeren’izy ireo ny tao amin'ny efitrano fasiana ny vatapatin'ny fiangonana dia hita nihantona tamin'ny tady tao ity Raim-pianakaviana ity izay marihina fa namela kamboty iray. Nalevina omaly Alatsinainy 08 Aprily ny razana raha ny vaovao azonay omaly hariva.
Pati
Legende : Nandritra ny fizahana ny razana nataon’ny mpitandro ny filaminana !
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka

Card image cap
20-juin-2025

Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa

Card image cap
20-juin-2025

Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa

Card image cap
20-juin-2025

Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly

Card image cap
20-juin-2025

Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo

Card image cap
20-juin-2025

Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny

Card image cap