airtel

Actualités

02-mai-2024

Lohalaharana amin’ny kolikoly ny mpitondra

35,7 miliara Ar ny fanodinkodinana volam-panjakana nandalo PAC

Sample post image

Namoaka tatitra momba ny ady amin’ny kolikoly mandritra ny taona 2023 ny tendrom-pitsarana manokana

02-mai-2024

misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pole Anti-Corrumption) ny talata 30 mey lasa teo, ka nivoitra fa ireo mpikambana ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka sy fahefana mpanao lalàna no maro an’isa natao fanadihadiana teo anivon’ny PAC. Mitana ny laharana faharoa ireo mpisehatra amin’ny fambolena sy ny fiompiana, raha toa ka ireo Tale sy mpiandraikitra ny asam-panjakana no mitana ny laharana fahatelo. Mitana ny laharana faha-efatra kosa ireo mpandraharaha. Nahatratra 316 ho an’ny Parquet Premier degré Antananarivo ny raharaha niditra, 1346 ny olona voarohirohy ka ny 1110 no nahazo fahafahana vonjimaika, 112 ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana, 124 naiditra am-ponja vonjimaika, araka ny tatitry ny PAC hatrany. Nahatratra 35,700 miliara Ar na manodidina ny 80 tapitrisa dolara latsaka eo raha atao amin’ny vola vahiny ireo volana niditra teo amin’ny PAC mikasika ny fanodinkodinam-bolam-panjakana. Mikasika ny fitoriana kosa, 10,1% ny fitoriana mivantana voaray ; 12,7% avy any amin’ny Polisy nasionaly ; 21,2% avy any amin’ny zandarimariam-pirenena ; 53,8% avy any amin’ny Bianco ; 0,6% avy any amin’ireo sampan-draharaha manokana na «adminisitration spécialisée» ; 1,6% avy amin’ireo zokiolona mpitsara mpanao famotorana. Mikasika ireo antontan-taratasin’ady avy amin’ny PAC nalefa any amin’ireo mpanao fandihadiana noho ny fandikan-dalàna kosa, dia miisa 132 no nalefa teny amin’ny Bianco ka 7 no niverina. 105 no nalefa teny zandarimariam-pirenena ka ny 12 no niverina ; 73 nalefa teny amin’ny polisim-pirenena ka 10 no niverina ; ary 3 kosa nalefa teny amin’ny Sampan-draharaha manokana ka tsy nisy niverina. Misokajy toy izao kosa ireo karazana heloka : 27% fanaparam-pahefana ; 14,8% kolikoly manome; 12,8%kolikoly mandray, 13,2% ny hosoka sy fampiasana hosoka ; ary 9,7% kosa ny fanodinkodinana volam-panjakana.
MENA NY TONDRO, MIAINGA AVY ANY AMBONY NY OHATRA RATSY…
Manamafy aloha izany itony tatitra itony fa tena mbola mena ny tondro mikasika ny kolikoly eto Madagasikara. Manamarina ny tatitry ny World Justice Project vao herinandro lasa fa anisan’ireo firenena 10 voalohany ahitana kolikoly be indrindra i Madagasikara, izay eo amin’ny laharana faha-134 amin’ny firenena 142, ary tsy nahazo isa afatsy 0,27. Tsy mifanalavitra amin’io ihany koa ny filaharana sy ny naoty momba ny tondro ho an’ny kolikoly na IPC navoakan’ny Transparency International ny janoary teo, fa eo amin’ny laharana faha-145 amin’ny 180 isika ho an’ny 2023, ary tsy nahazo naoty afatsy 25/100. Manasarotra ny ady amin’ny kolikoly dia ireo mpanapaka eto amin’ny Firenena no lohalaharana, raha tarafina amin’ity tatitra ity fotsiny dia ny mpitondra, ny mpikambana amin’ny andrim-panjakana mpanao lalàna,… Raha ara-politika ohatra , firifiry ireo olona ambony teo aloha nanana dosie maloto saingy mirotsaka ho kandida depiote mba hialokalofana amin’ny zo tsy azo henjehina ?
Toky R
Sary fanehoana

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap