fa rangory fototry afo tamin’ilay loza mahatsiravina teny amin’ny By Pass akaikin’ny kianja Elegeco Plus ny alin’ny 30 aprily teo. Raha tsiahivina fohy, ny fisongonana tsy nahomby sy setrasetra nataon’ity sinoa ity nitondra fiara Huiyndai i30, izay voalaza fa mamo teo am-pamiliana no nitera-doza, nandona fiara roa ka naha lasibatra fiara Renault Clio nisy an’ireo olona 4 namoy ny ainy izay nikaperotra tanteraka, ankoatra ny fiara tsy mataho-dalana iray izay nisy fahasimbana ankoatra ireo naratra. Tompon'andraikitra amin'ny fahafatesan'ireo 3 mianaka, izay namela kamboty roa lahy ary, ary ny fahafatesan'ilay mpiara-miasa iray amin’izy ireo tao anaty fiara ihany koa, izay namela kamboty vavikely iray, vao 6 taona monja ity sinoa ity, izay voalaza fa mbola nikasa hitsoaka aza taorian’ny loza saingy vosambotra. Andrasana araka izany izay hivoaka amin’ny fampanoavana sy ny fitsarana satria raharaha isan’ny andrasan’ny maro izy ity.
Toky R
Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka
Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa
Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa
Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly
Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo
Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny