Manamafy hatrany ny fitakiana ny hanesorana ny Ben'ny tanana mitantana ny kaominina ambonivohitr'i Nosy Be ankehitriny ny Fikambanana fanavaozana hampandroso an'i Nosy be. Ho azy ireo mantsy dia tena tsy mahavaha olana no sady sakana amin'ny fampandrosoana ny tanana io Ben'ny tanana io. Hangatahan'izy ireo araka izany ny hijerena ifotony ny zava-misy any an-toerana sy ireo olana hiainan'ny vahoaka toy ny tsy fahafahana misitraka jiro sy rano fisotro madio ara-dalana ho an'ny isan-tokantrano. Soloy PDS amin'izay ny Ben'ny tanana hoy izy ireo. Maharary ihany koa ny sehatry ny fanabeazana ao Nosy Be ao nefa tsy misy mpijery. Mbola mitambatra mantsy ny sekoly ambaratonga fototra sy ny sekoly ambaratonga faharoa ao Madirokely. Takian'ny fikambanana Fanavaozana an'i Nosy be ihany koa noho izany ny hanasarahana ireo sekoly miisa 2 ireo. Tsiahivina moa fa mijoro hampandroso an'i Nosy be no sady manohana ny fitondrana mijoro ankehitriny ity fikambanana iray ity. Tanora sy olon-tsotra maro no mivondrona ao anatiny, mañana tanjona hanala ireo sakana tsy hahafahan'ny tanana sy ny fiainan'ny mponina mivoatra.
Pati
Légende : Ireo mpikambana nitafa tamin'ny mpanao gazety !
Namonjy ny volany 100 000Ar, kinanjo natelin’ny rano i Dety
10 taona asa an-terivozona an-tranomaizina !