airtel

Actualités

01-sept-2026

MAFANA

NY POLITIKA AO NOSY BE

Sample post image

Sakana ho an'ny fampandrosoana ny Ben'ny tanana »

01-sept-2026

Manamafy hatrany ny fitakiana ny hanesorana ny Ben'ny tanana mitantana ny kaominina ambonivohitr'i Nosy Be ankehitriny ny Fikambanana fanavaozana hampandroso an'i Nosy be. Ho azy ireo mantsy dia tena tsy mahavaha olana no sady sakana amin'ny fampandrosoana ny tanana io Ben'ny tanana io. Hangatahan'izy ireo araka izany ny hijerena ifotony ny zava-misy any an-toerana sy ireo olana hiainan'ny vahoaka toy ny tsy fahafahana misitraka jiro sy rano fisotro madio ara-dalana ho an'ny isan-tokantrano. Soloy PDS amin'izay ny Ben'ny tanana hoy izy ireo. Maharary ihany koa ny sehatry ny fanabeazana ao Nosy Be ao nefa tsy misy mpijery. Mbola mitambatra mantsy ny sekoly ambaratonga fototra sy ny sekoly ambaratonga faharoa ao Madirokely. Takian'ny fikambanana Fanavaozana an'i Nosy be ihany koa noho izany ny hanasarahana ireo sekoly miisa 2 ireo. Tsiahivina moa fa mijoro hampandroso an'i Nosy be no sady manohana ny fitondrana mijoro ankehitriny ity fikambanana iray ity. Tanora sy olon-tsotra maro no mivondrona ao anatiny, mañana tanjona hanala ireo sakana tsy hahafahan'ny tanana sy ny fiainan'ny mponina mivoatra.
Pati
Légende : Ireo mpikambana nitafa tamin'ny mpanao gazety !
 

Dans la même rubrique

12-oct-2026

navadika ho lasantsy

Card image cap
12-oct-2026

Navaozina ny fiaraha-miasan’Ambatovy sy ny BNGRC

Card image cap
09-oct-2026

Misy fanakorontanana

Card image cap
09-oct-2026

Hamondrona ny heriny

Card image cap
09-oct-2026

Misy zavatra tsara alamina ihany angamba…

Card image cap
09-oct-2026

Miantso ireo fikambanam-behivavy

Card image cap