airtel

Actualités

23-nov-2023

Mafana ny raharaham-pirenena

Notazonin’ny zandary ireo mpitarika sendika roa

Sample post image

Manao tohivakana ny fanenjehana ara-politika sy ara-tsendikaly. Taorian'ny fisamborana olona nialohan'ny fifidianana,

23-nov-2023

nahitana olon-tsotra naneho hevitra, hatramin'ny solombavambahoaka mpitarika Vondrona Parlemantera, dia ireo mpitarika sendika indray no misesy eny amin’ny Sampana misahana ny heloka bevava. Tena raharaha goavana sa fomba hoentina hamiliana saim-bahoaka tsy hitodika any amin’ny voka-pifidianana mampiahiahy ny herivelona maro? Nampanantsoin'ny Sampana misahana ny heloka bevava ny Filohan'ny SECES Sampana Antananarivo Pr Ravelonirina Sammy Grégoire sy ny Filohan'ny Randrana Sendikaly na ny SSM Barson Rakotomanga, izay voalaza fa hatao famotorona noho ny fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena. Samy notazonina ao Fiadanana satria voalaza fa mbola hitohy ny fanadihadiana. « Nanomboka tamin'ny 2 ora ny Filohan’ny SECES no niditra ny biraon'ny zandary teny Fiadanana. Tamin'ny 4ora hariva vao nanaomboka ny fanadihadiana. Izao amin'ny 8ora alina izao vao vita ny famotorana ary notazonina ao izy. Misaotra anareo mpianatra tonga marobe nifanotrona teny... Mbola tsy hay ny tohiny », hoy ny fampitam-baovaon’ny SECES Sampana Antananarivo omaly. Sokajiana ho manohintohina ny filaman’ny firenena. Tsara ny mampahatsiahy, fa ankoatra ny tolona samihafa izay nataony momba ny zony, dia isan’ny tsy nisorona sy nitsikera mafy ny zavatra heveriny fa tsy mety eto amin’ny Firenena ny SECES. Anisan’ireny ny fitsikerana ny fanapahan-kevitra sasany nataon’ny HCC izay nambaran’izy ireo fa manaratsy endrika ny anjerimanontolo izay namolavola ireo mpahay lalàna. Vao farany teo, ny 17 novambra, dia nilaza ny SECES Sampana Antananarivo raha niresaka ny raharaham-pirenena eto Madagasikara, fa voahosihosy ny lalàmpanorenana, ary tsy voahaja ny demokrasia sy ny zon’olombelona. Mifanindran-dàlana amin’io, naneho firaisankina hatrany moa ny Sendika teo anatrehan’ny heveriny fa antsojay mahazo ny namany, ka nilaza fa hametraka fitoriana any amin’ny Sampan-draharaha iraisam-pirenena momba ny asa na OIT ny SSM eo anatrehan’ny fanapahan-karama atao an’ireo mpitarika sendika, saingy io ny sary mitranga. Omaly dia naneho i Barson Rakotomanga hoe : « tsy azo ekena ny fanitsakitsahana ny zo sy fahalalahana ara-tsendikaly. Fifanarahana iraisam-pirenena fototra an'i OIT faha 87 sy 98, ao koa ny lalampanorenana Malagasy tamin’ny 2010 and 31, 32, 33 ». Ankoatra azy ireo moa dia voalaza fa nanaovana famindran-toerana na « affectation disciplinaire » any Antsiranana ihany koa ny sekretera Jeneralin'ny SSM Ralibera Jerison. Endrika maneho hatrany izao fa miha mafana ny toe-draharaham-pirenena, manenjana ny mpitondra,… Hiteraka fitoniana sy hampilamina ny firenena ve anefa izany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-déc-2025

Nanao ampamoaka sy nanazava ny

Card image cap
15-déc-2025

Nisy ny fihaonana ara-panjakana izay

Card image cap
12-déc-2025

Nitsangana ny vaomiera mpanadihady

Card image cap
12-déc-2025

mbola miantehitra amin’ny frantsay»

Card image cap
12-déc-2025

rehefa tsy ampy solaitra ny maro an'isa"

Card image cap
12-déc-2025

Tandindonin-doza ireo tantsaha

Card image cap