aquatique flottant » goavambe
Hiova endrika ny ao Mahavelona Foulpointe atsy ho atsy, toeram-pitsangatsanganana malaza indrindra ao Toamasina. Hasiana Parc de loisirs aquatique flottant goavana indrindra mantsy any an-toerana, rigide na semi-rigide, vaovao farany hampifaliana ireo mpankafy fizahantany sy mpiala sasatra. Tany mirefy 1 ha eo ho eo no hametrahana izany, toeram-pialam-boly hahafahana mankafy ny tontolon’ny rano sy ny hakantony. Natao hanomezana tsirony ny fialambolin'ny fianakaviana sy ny mpiala sasatra rehetra izany. Tsy mbola nisy taty amin’ny kaontinanta Afrikana sy ny Ranomasimbe Indiana izy io raha araka ny vaovao azo. Madagasikara, amin'ny alalan'ny Kaominina Mahavelona Foulpointe, no hisantatra ity foto-drafitrasa fialamboly rano goavana ity. Ilay mpandraharaha fanta-daza avy any Pologne, Marcin Lugowski, no hitondra sy hametraka izao foto-drafitrasa goavana izao ao Foulpointe Mahavelona mba hampiroboroboana hatrany ny sehatry ny fizahantany malagasy. Volabe no hampiasaina amin’izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Hanana toeram-pialam-boly miavaka ny eto Foulpointe atsy ho atsy !