Salon Malagasy Design Gaze no anarany izany varotra fampiratiana manome toerana ny famoronana miavaka. Ihoby Rabarijohn sy Kiady Ratovoson izay samy tanora Malagasy avokoa no angady nananana sy vy nahitana izany. Tanjon’izy ireo ny hampiseho ny talenta sy ny fahaiza-manaon’ireo mpanakanto malagasy eo amin’ny sehatry ny famoronana. Malagasy Design Gaze dia manam-paniriana ny hampiseho amin’ny daholobe sy ireo matihanina ny fahaizana, ny kalitao ary ny harenan’ny famoronana vita malagasy. Ity « Design Fair » ity dia ahafahan’ireo mpankafy ny zava-kanto mifandray amin’ny fanaingoana sy ireo mpisehatra eo amin’ny « architecture d’intérieur » mahita sy mividy ireo asa tanana tsara kalitao sy miavaka. Ny 07 Jona ho avy izao moa no fotoam-panokafana, ny 13 Jona no hanaovana ny « Dégustation design » ao amin’ny Le Gourmet, hitohy ao amin’ny Fondation H izany ny 14 Jona raha ny 21 jona kosa no hanaovana ny famaranana ao amin’ny Marais Design Food, lanonana « Mars Design Attack » ao amin’ny Restaurant Le Marais, sady fankalazana ny fetin’ny mozika. Hohita mandritra izany ny asa tananan’i Ando Ramanantsoa, Fanjar, Saïda Augustine, Chlöe Ramanankasina, Iandry Randriamandroso, Eric Raisina, Kiady Ratovoson, Aina Dedem ary Georges Floret.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly !
Miha zava-doza hatrany ny delestazy, saingy tsy manam-bahaolana ny Fanjakana.
Nitsotra indray ny SERA (Sehatry ny Raiamandreny) manoloana ny
Ankoatr’ireo lasan’ny Sinoa, dia mbola nisy ambikambiny toa notaterina heverina fa
Raha tsy misy ny fiovana farany, hiakatra fitsarana anio talata 24 jnona i ny mpanao gazety Fernand Cello
Mitohy ny antsojay mahazo ireo mponina eny Imerintsiatosika,
Ho fanamafisana ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany mandritra ny ny fankalazana