Tsy mitsahatra fa mbola manjohy azy hatrany ny famoizam-po vokatry ny daka am-bavafo nataon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny azy, antony nahatonga azy ho mpilalao sary mihetsika tsy fidiny. Namoaka horonan-tsary mihetsika tao amin’ny tambajotran-tseraserany indray ny anaolahy omaly nilaza fa na dia efa nataony vonimboasary hatramin’ny lambam-pandrianany aza dia mbola nodakana sy tsy noraharahiana ihany izy raha naniry mafy ny hilatsaka hofidiana ho solombavambahoaka ao anatin’ny distrikan’i Beloha, Faritra Androy. Nasehony tao anatin’io horonan-tsary mihetsika io ny fivarianany lavo amin’ny fisotroan-toaka, tranga nahafahany namoaka ny tao am-pony rehetra. Labiera no eny an-tanany saingy tena mamo tampoka izy raha io horonan-tsary mihetsika navoakany io no sady mirediredy. Talohan’io moa dia tsiahivina fa vehivavy iray izay mpiara-miasa aminy akaiky no nanakiana mafy ny Fitondram-panjakana ny amin’ny nandakan’izy ireo an’i Tatandraza ary niantso tody mihitsy fa tsy ho zakan’ny filoha izao famoizam-po mahazo ny mpitarika azy io.
Pati
Legende : Marc Tatandraza efa namoaka horonan-tsary mihetsika ny fikasany hamono tena ihany koa !
Niakatra ny fanjifana tao anatin’ny 2 taona, miakatra 5% isan-taona ny filàna herinaratra,
Nisy fiakarany ny fampiasam-bola mivantana avy avy any ivelany (IDE) tamin’ny taona 2024,
Fety goavanambe no hotanterahina ao anatin'ny kaominina Ivato, distrikan'Ambohidratrimo
Am-pifaliana no ilazàna amintsika fa nanaiky ny fandaminana ny tsena eto Antehiroka
Mirongatra be amin’izao fotoana izao ny antsoina hoe «Punaises de lit» na haom-pandriana,
May ny tsenan'i Miandrarivo any amin'ny distrikan'i Faratsiho.