airtel

Actualités

05-mai-2025

Mba efa mitsinjo izay hiafarana ve ?

Kodiaran-tsarety ny fiainana, fa mety

Sample post image

ho kodiaran-tsarety ihany koa ny politika,

05-mai-2025

ka asa na mba efa mba nandinika sy niomana ny amin’izany ny mpitondra ankehitriny ? Tsy misy maniry ratsy sy ady saritaka ary romoromo lava eto amin’ny firenena satria tena miankina amintsika Malagasy ihany no hampilamina sy hampirindra ary hampandroso na tsia an’ity Firenena ity. Na izany aza, lasa zary fialonkalofana ny hoe : aza korontanina ny Firenena, tsy mila korontana intsony, andao hifantoka amin’ny fampandrosoana,… Kabary ambony latabatra sy resaka feno fihatsaram-beletsihy no betsaka, tsy fampandrosoana no imasoana fa famenoana paosy, halatra, kolikoly, kiantranoantrano,… Dia ireny misesy vaky ambatolampy ireny ny afera goavana samihafa, manomboka mitombo ny fahasahiana,… Ny mahagaga anefa, dia toa ezahana haodinkodina sy boriboriana, ary ezahina harefarefa sy sarontsaronana ny resaka. Hoentina amin’ny serasera taingina, ka zary efa tsianjery maimbo rehefa misy afera mirefotra ny hoe : fanalam-baraka, tsaho, lasa adala iny,… Tsy fahintsiana ka fahavononana hanome herijika hisian’ny fanadihadiana malalaka, fa dia ny fifampiarovana amin’ny ratsy no betsaka. Efa betsaka izay fahotana mahafaty sy fametavetana ity Firenena ity izay, saingy tsy adala ny Ntaolo nilaza hoe : « misy farany ny zava-drehetra » ! Mafy ve nisy toa an-dry Hitler, fa nisy farany ka asa na mba efa nandinika izay hiafarany ireo mpitondra mihevi-tena tsy ho tratry ny aloka na efa tena maty eritreritra tanteraka ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka

Card image cap
20-juin-2025

Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa

Card image cap
20-juin-2025

Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa

Card image cap
20-juin-2025

Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly

Card image cap
20-juin-2025

Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo

Card image cap
20-juin-2025

Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny

Card image cap