airtel

Actualités

06-juin-2024

MENAKA MAHAGAGA

Misy laharam-pinday ireo tena izy

Sample post image

Efa misy misoloky ihany koa amin’izao ny menaka mahagaga fahita eny an-tsena eny.

06-juin-2024

Nambaran’ny mpamokatra azy Razafindratsimba Rondro omaly fa ilay misy laharam-pinday eo ivelan’ny boaty no tena izy sy novokariny. Avy tamin’ny fanasitranana azon’ny zanany 3 taona tratran’ny aretina asmatika no nambarany fa antony nanosika azy hamorona ity menaka mahagaga ity. Mpitsabo nentim-paharazana ny Renibeny ka ity farany no nanoro azy ny ranona ravintsara nanasitranana io zaza 3 taona io. Nampisotroana ilay zaza no sady norina ihany koa. Nakambany tamin’ny solila izany taty aoriana antony mahatonga ny menaka mahagaga ho lasa masiatsiaka raha ny nambarany rehefa hohanina. Notsiahiviny moa fa resaka fahasalamana ilay menaka mahagaga noho izany tsy tokony havadiky ny sasany ho lasa hanihany na kilalao anaty hira.
Pati
Legende : Ity vehivavy tsara tarehy ity no mamoaka ilay feo ity ilay menaka mahagaga re eny rehetra eny fa tsy dadabe kely araka ny fahenoana azy akory !
 

Dans la même rubrique

23-juin-2025

Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga

Card image cap
23-juin-2025

Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha

Card image cap
23-juin-2025

Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.

Card image cap
23-juin-2025

Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,

Card image cap
23-juin-2025

Tsy tokony ho gaga isika raha mahantra ny firenena»

Card image cap
23-juin-2025

Raha tontolon’ny fiompiana, fikarakaràna, fampiadiana akoho dia sahinay ny miteny,

Card image cap