airtel

Actualités

06-mai-2025

Minisiteran’ny Fitsarana

Nekena ny fanohanana nataon’ny vadin’i Kolonely Patrick

Sample post image

Mikasika ny raharaha hifanolanan’ny « Ministère public » sy Rakotomamonjy Simon Patrick sy ny namany,

06-mai-2025

dia napetraka am-ponja vonjimaika ny voarohirohy Rtoa Randrianatoandro Harinomenjanahary Minoasina rehefa niatrika voalohany ny fampanoavana tamin’ny talata 29 aprily 2025, araka ny didim-pitsarana navoakan’ny mpitsara mpanao famotorana, izay nitsara tamim-pahaleovantena tanteraka, hoy ny fanambarana ofisialian’ny Minisiteran’ny Fitsarana, ny Cour d’Appel eto Antananarivo, ny Tribonaly Ambaratonga voalohany eto Antananarivo omaly 05 mey 2025. Nanao fanohanana na « opposition » an’io didy io izy ny alarobia 30 aprily 2025. Araka ny and.110 ao amin’ny Lalàmpanorenana manamafy fa ny mpitsara ao amin’ny fampanoavana dia fifehezan’ny amparatongam-pahefana, dia nahazo toromarika avy amin’ny Minisitry ny Fitsarana ny Tonia mpampanoa lalàna na « Procureur de la République » mba tsy hanohitra ny fangatahana famotsorana vonjimaika ilay voarohirohy. Nomarihina fa ny fampanoavana mahefa namoaka didy no no manapa-kevitra mikasika izany, ary nanao izany tamim-pahaleovantena tanteraka ihany koa. Niteraka adihevitra moa io, izay betsaka ny olom-pirenena no mandika azy ho fomba entina iarovana ny Filoham-pirenena izay tratry ny kiana mivaivay fa mibaiko ny Fitsarana sy mandika lalàna. Misy aza ny mametra-panontaniana sy manokatra adihevitra hoe : raha tsy nisy ny baikon’ny filoham-pirenena ve dia nekena ny fangatahana fahafahana nataon’ilay olona ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka

Card image cap
20-juin-2025

Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa

Card image cap
20-juin-2025

Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa

Card image cap
20-juin-2025

Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly

Card image cap
20-juin-2025

Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo

Card image cap
20-juin-2025

Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny

Card image cap