Rtoa Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana ny zoma 09 jona teo, teny amin’ny Biraon’ny Minisitera teny Faravohitra. Nanotrona izany ireo Tekinisianina manana andraikitra amin'izany. Hita mantsy fa misy ireo Fonja misedra olana eo amin'ny tsy fahampian'ny olona ka tsy maintsy mandrindra izany, araka ny tokony ho izy ny eo anivon'ny Minisitera. Tanjona ny hisian'ny fifadanjana eo amin'ny fanatanterahana ny asa. Nanamarika ny Minisitra fa ny toerana rehetra hiasana dia mendrika avokoa. Tato ho ato, henjakenjana ny zava-mitranga tamin’ny fonja maromaro teto amin’ny Nosy, toy ny fisiana gadra mikasa handositra nisesisesy tamin’ny fonja maromaro, ny fitsirihana nataon’ny Minisitra teny Antanimora izay nahitana tsy fahatomombanana toy ny tsy fitovian’ny isan’ny voafonja sy ny voasoratra anaty firaketana, ny tsy fisian’ny olona tazonina am-ponja tsy misy fanamarinana mazava,… Vao tsy ela ihany koa moa no nandalo teto ireo iraka avy amin’ny Firenena Mikambana, izay nitsirika sy nanara-maso ny resaka zon’olombelona ho an’ireo olona voatazona am-ponja.
Toky R
Ny 15 aprily 2025 teo no voalaza fa efa hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny
Manana akora fototra maro isan-karazany i Madagasikara, ary manana tany
Namoaka vokatra vaovao ny orinasam-pifandraisana Airtel hiarovana ny mpanjifa amin'ireo
Zatovovavy kely iray vao 17 taona monja monina eny Sabotsy Namehana
Olona 7 mianaka indray no fantatra fa tratran'ny fanapoizinana ara-tsakafo
Teratany vahiny iray monina eny Andranovelona Ilafy no mampitaraina ny mponina