hijery ny ala feno Baobab izay arovan’izy ireo ny fikambanana Mazoto, raha ny fanambaràna nataon’izy ireo omaly tolakandro taorian’ny tafa nataon’ny filoham-pirenena ny alahady lasa teo. Tsy hanaiky io tetikasa Base Toliara io izahay satria na ny filoham-pirenena teo aloha, Didier Ratsiraka, aza efa niteny hoe mankarary ny fitrandrahana io fasimainty io, hoy izy ireo. Tsy hihemotra na ho faty izahay fa arovanay ny taninay mba ho an’ny fara mandimby. Ny vola ve no hampanjakàna ka hanaovana sorona ny ain’ireo mponina? Tsy hahavelona fa hahafaty anay io Base Toliara io, hoy hatrany ny Mazoto! Mitohy, araka izany, ny fitsipahana fitrandrahana ataon’ireo fikambanana samihafa milaza azy ireo ho mivelona amin’ny toerana kasaina hanatontosana ity tetikasa ity. Ankoatran’ity Mazoto ity moa dia isan’ny manohitra izany koa ny fikambanana Zanadriaeke sy FIMA na Fikambanana Masikoro Arivolahy eto Antananarivo, tarihin’ny filohan’ny antoko politika Otrikafo, Elia Rabevahiny, raha tsiahivina.
Nangonin’i J. Mirija
Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka
Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa
Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa
Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly
Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo
Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny