airtel

Actualités

07-oct-2024

MPIARO NY ZON’NY MPANJIFA

Mangataka ny hanoloana ny tompon’andraikitry ny JIRAMA

Sample post image

Nidina ifotony nijery ny zava-misy iainan’ny mponina eny Ankaditandratombo ny Fikambanana mpiaro ny zon’ny

07-oct-2024

mpanjifa afak’omaly Sabotsy 05 Oktobra taorian’ilay hetsika fitokonana nataon’ny mponina teny an-toerana vokatry ny delestazy lavareny hiainany. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia Raim-pianakaviana iray no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana nandritra io fitokonana tamin’ny Zoma 04 Oktobra hariva nataon’ny mponina io ary efa navotsotr’izy ireo ihany. Nambaran’ny fikambanana mpiaro ny Zon’ny mpanjifa ary fa zo fototry ny mpanjifan’ny JIRAMA ny mitokona sy mitaky ny mba hisian’ny jiro manazava ny tanana amin’ny hariva satria mandoa vola isam-bolana izy ireo. Fanitsakitsahana ny zon’izy ireo ny fisamborana azy ireny. Tsy tokony ny mpanjifa no samborina noho izany hoy Atoa Andry Vola Razafindralambo fa ireo tompon’andraikitra ao amin’ny JIRAMA tsy mahavita ara-dalana ny asany no soloina. Notsindrian’ireo olona mivelona amin’ny asa mila herinaratra eny Ankadindratombo toy ny mpivarotra trondron-dranomasina sy ireo mpanao volo moa fa lasa mahazo vahanabe ny delestazy eny amin’izy ireo tato ho ato. Simba sy maimbo vokatr’izany ny entana hamidiny ho an’ny piossonnerie raha voatery hakatona mihitsy ny toeram-piasana ho an’ny mpanao volo. Leo ny miaina izany ny mponina raha mahazo vahana ihany koa ny tsy fandriampahalemana, antony nanosika azy ireo hanao iny hetsika tamin’ny Zoma hariva teo iny. Tsy ho an’Ankadindratombo irery ihany moa fa faritra maro no miaina delestazy lavareny isan’andro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Manampy trotraka izany ny filaharan-drano etsy sy eroa izay efa lasa hataon’ny sasany bizina mihitsy.
Pati
Legende : Andry Vola Razafindralambo, filohan’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa !

 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka

Card image cap
20-juin-2025

Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa

Card image cap
20-juin-2025

Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa

Card image cap
20-juin-2025

Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly

Card image cap
20-juin-2025

Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo

Card image cap
20-juin-2025

Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny

Card image cap