airtel

Actualités

11-nov-2024

Mponin'Anosipatrana

Nisitraka Jiro solaire, raikitra ihany koa my AMA

Sample post image

Naverin'i Tahina Razafinjoelina teny Anosipatrana indray omaly fa matoa izy izay mitsidika toerana iray

11-nov-2024

dia misy asa efa vita ao na hiresaka asa. Asa maharitra hitondra voka-tsoa sy mametraka ambony ny soa iombonana io. Jiro solaire miisa 70 no natolotra ny mponina teny an-toerana hanazavana ny lalan-kely, tena ilaina amin'ny fametrahana ny fandriampahalemana izany. Ankoatra an'io dia nanao fanadiovana ny tanàna sy ireo tatatrap ihany koa ny teny Anosipatrana, ity ilay hoe Asa Maharitra ho an'Antananarivo na AMA izay efa nambara tany am-piandohana, iray volana lasa izay fa tsy maintsy hitety jreo boriboritany 6 eto an-drenivohitra. Tsy maintsy misy foana moa ny fanakianana sy ny mety tsy ho afa-po amin'ozay zavatra atao saingy efa mazava ny an'i Tahina Razafinjoelina sy ny Tia Tanindrazana, fotoanan'ny asa izao fa efa tena ampy izay fifandirana politika, adilahy politika, sinema politika natao teto izay. Porofoina amin'ny ny fitiavan-tanindrazana, zavatra miantraika mivantana ary maharitra amin'ny fiainany no ilain'ny olona fa tsy rendrarendra mandalo, ka rehefa vita ny propagandy dia tsy hita intsony hoe lasa aiza. Izay no anton'ny tetikasa lavadrano sy jiro solaire. Zavatra izay mitoetra eo ary raha toa moa ka lany soamantsara ny kandida Tahina dia vao miha hitombo ny asa. Miha tsapanay mihitsy izao ilay teny filamatra hoe tsotra,marina, mahomby hoy ny olona rehetra nahita ny fomba fiasan'iTahina sy ireo mpiara-dia aminy.
RTT
Légende : 500 isa ny olona nanao rodobe nanatanteraka ny AMA teny Anosipatrana

 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka

Card image cap
20-juin-2025

Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa

Card image cap
20-juin-2025

Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa

Card image cap
20-juin-2025

Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly

Card image cap
20-juin-2025

Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo

Card image cap
20-juin-2025

Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny

Card image cap