airtel

Actualités

19-oct-2026

Nanome

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

Sample post image

Mpiasa ambony iray ao

19-oct-2026

Ambatosoa nidoboka eny Antanimora
Tompon’andraikitra ambony iray eo anivon’ny Faritra Ambatosoa no naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora taorian'ny nanolorana azy teo anatrehan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (PAC) ny 16 oktobra 2026 teo. Voarohirohy ho nandray anjara tamin’ny fitrandrahana vato tsy ara-dalàna tao amin’ny Faritra Arovana Makira izy. Anisan’ny niampangana azy ny fanomezana fahazoan-dalana tsy ara-dalàna ireo mpividy vato, teratany sinoa, hahafahan’izy ireo mitatitra izany. Raha tsiahivina dia nisy teratany sinoa roa lahy voasambotra ny 28 septambra 2026, nandritra ny hetsika fidinana ifotony tany Maroantsetra niarahan’ny Fitaleavana miady amin’ny kolikoly sy ny Fitaleavana misahana ny ady amin’ny fitrandrahana an-tsokosoko ny harena voajanahary eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Mpividy ireo vato nalaina tsy ara-dalàna tao amin’io faritra arovana io ireo teratany sinoa roa lahy ireo, ary samy efa notanana am-ponja vonjimaika ihany koa. Nandritra ny fanadihadiana natao azy ireo no nahafantarana fa misy fanaovana kolikoly sy famotsiam-bola amin’izany fitrandrahana vato tsy ara-dalàna izany.
Nangonin'i Jean D.
 

Dans la même rubrique

19-oct-2026

Laviko ny fiampangana ahy ! »

Card image cap
19-oct-2026

Ny Minisitry ny fitsarana no

Card image cap
19-oct-2026

no hisitraka izany

Card image cap
16-oct-2026

no nampanamboatra ilay sary

Card image cap
16-oct-2026

banga 18MW ny famokarana

Card image cap