ny vatana mangatsiakan-dRandrianantenaina Gario, zazalahy kely 13 taona natelin’ny ranomasina afak’omaly Alahady 08 Desambra teo amin’ny plazy Ratsimilaho, Toamasina. Tsiahivina fa miisa 2 izy ireo no indray lasan’ny ranomasina saingy vetivety ihany ilay iray dia avotra izay manodidina ny 15 taona eo ho eo. Tsy nahateny ity farany nandritra ny fotoana nahazoana azy tao anaty rano fa mbola niraikitra ny lelany, tranga izay mbola tsy mahatomombana tsara ny fahasalamany hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Mpanarato moa no fantatra fa naka ny vatana mangatsiakan’ilay zaza tsy manan-tsiny voalohany itsy tao anaty rano, niampy ny tolo-tanan’ny mpamonjy voina. Fantatra fa mpinamana maromaro izy ireo no niaraka. Hitan’ireo namany sasany moa no nahavoa azy roalahy kely ireto hoy ny vaovao saingy rehefa nanatona izy ireo dia nentin’ny rano nilentika hatrany ireo namany ka raiki-tahotra izy ireo. Miantso ny hametrahana polisy monisipaly mba hiambina ny moron-dranomasina ao Toamasina araka izany ireo mponina any an-toerana hisorohana ny tranga mampalahelo tahaka izao.
Pati
Legende : Sady mamelona no mamono ny rano ka ilana fitandremana !
Roa andro aty aorian’ny dinika iombonana momba ireo Nosy Malagasy natao tany Frantsa
Nankalazaina omaly teny amin’ny Masoivoho Amerikana eto Antananarivo ny
Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny orinasa Jirama. Nanao fivoriambe izy ireo omaly 01 jolay 2025,
Misy toe-javatra hafahafa mikasika ny famatsiana solika eto Madagasikara.
Vondronosy kely miisa 5 manodidina an’i Madagasikara ireo nantsoina talohan’ny taona 1979 hoe
Miatrika atrikasa mendrika fiofanana ireo mpampianatra eo anivon'ny Akanin'ny Marenina 67ha.