Nifarana tamin-kafaliana sy tao anaty aim-panahy vaovao omaly 31 aogositra ny Fihaonambe nasionalin’ny Sampana Tanora Kristianina na ny STK FJKM tao Nosy Be, izay naharitra dimy andro ary nampivondrona tanora kristiana manodidina ny 15 000 avy amin’ny faritra samihafa manerana an’i Madagasikara. Tamin’ny marainan’ny famaranana tao amin’ny Kianja Dar Es Salam no nanao vavaka sy fisaorana niaraka tamin’ireo mpino ny Filohan’ny Fanavaozana, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël. “STK voafidin’i Kristy, miasa amin’ny faharetana, mamokatra tsara.” (Jaona 15:16), raha tsiahivina no tenin’ny Soratra Masina nofidiana tamin’ity fihaonambe ity. Io teny io no nentin’ny Pasitera Filohan’ny FJKM, ANDRIMAMPIANINA Zaka Hary Masy, nanentana ny tanora mba hanana faharetana sy hiezaka hahazo vokatra tsara, na dia eo aza ny fitsapana sy ny mpitoraka manelingelina. Nampahatsiahy ny tanora ihany koa ny Filohan’ny Fanavaozana fa izy ireo no hoavin’ny Fiangonana sy ny Firenena. Nampitodika ny hafatra ho amin’ny fifankatiavana sy ny fahendrena izy, ary nanamafy fa ny fiezahana mitondra ny hazo fijaliana amin’ny fiainana andavanandro no tena adidy, fa tsy ilay hazo nentin’i Jesosy tamin’ny namonoana azy. Nohamafisiny manokana ny ady amin’ny kolikoly, izay nilazany fa tsy misy havana na namana amin’izany, ary nanentana ny tanora mba tsy hanakaiky izany fa hiezaka hanana fiainana madio sy manaja ny soatoavina kristiana. Nisy ihany koa ny fanentanana ara-bola sy fanohanana. Maro ny vola lany tamin’ny fikarakarana sy ny fivezivezena, indrindra ho an’ireo mpizaika avy any amin’ny faritra lavitra toa an’i Taolagnaro. Nampanantena sy nanolotra fanampiana ara-bola ny Filohan’ny Fanavaozana, izay nanome vola 40 tapitrisa Ar ho solon-tsakafo sy solika ho an’ireo fiara nitondra mpizaika. Mizara ho an’ny komity mpikarakara, ny vatsin’ireo mpizaika ary ny fitaterana eo Ankify io fanampiana io. Nisy fanampiana manokana ihany koa ho an’ny fikarakarana ny fihaonambe. Araka ny tatitra, mbola mitentina eo amin’ny 36 tapitrisa ariary ny vola ilaina amin’ny tetikasa STK, ka noraisina an-tanana ny famatsiana sy ny fanentanana mba hahazoana manatanteraka izany. Ny Fihaonambe STK 2026 tao Nosy Be dia naneho indray ny herin’ny tanora kristianina sy ny finiavana hanohy ny asa fanompoana, amin’ny alalan’ny faharetana sy ny fiezahana hanana vokatra tsara ho an’ny Fiangonana sy ny Firenena.
Toky R
Namonjy ny volany 100 000Ar, kinanjo natelin’ny rano i Dety
10 taona asa an-terivozona an-tranomaizina !