airtel

Actualités

23-sept-2026

Nomen’ny ONU

ny hajany i Madagasikara

Sample post image

Handray fitenenana ny PRRM rahampitso

23-sept-2026

Nisokatra tamin’ny fomba ôfisialy omaly talata 22 septambra 2026 tao New York Etazonia ny Herinandro Avo Lenta an’ny Firenena Mikambana na High Level Week, andiany faha-81, izay tanterahina ao amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana. Nanatrika izany fanokafana izany ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely Randrianirina Michaël, izay nitari-dalana ny delegasiona malagasy. Tsiahivina fa efa nanomboka ny fivoriana ny 8 septambra lasa teo, saingy ny adihevitra ankapobeny no tena ivon’ny hetsika amin’ity herinandro ity, izay hifantohan’ny mpandray anjara amin’ny resaka sy fandinihana momba ny raharaha iraisam-pirenena toy ny Zon’ny Fampandrosoana, ny fiovan’ny toetrandro sy ny fiakaran’ny ranomasina izay manohintohina ireo firenena marefo, ary ny valanaretina sy ny paikady fiarovana maneran-tany. Ny lohahevitra lehibe amin’ity andiany faha-81 ity dia hoe: “Mamerina indray ny fitokisana, mandrindra ny fanovana: Vondron’ny Firenena Mikambana, miasa ho an’ny rehetra” (Restoring trust, managing transformation: a United Nations that delivers for all). Manodidina ny 193 filoham-pirenena sy solontenam-panjakana no tonga nanatrika ity fivoriambe ity, manamarika ny maha-zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny fiaraha-miasa maneran-tany. Araka ny fandaharam-potoana, amin’ny alakamisy 24 septambra 2026 no handray fitenenana eo amin’ny Tribune an’ny Firenena Mikambana ny Filohan’ny Fanavaozana, Kôlônely Randrianirina Michaël, izay ho fitenenana voalohany hataony manoloana ireo filoham-pirenena sy solontenam-panjakana avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao. Ny tsapa sy tsikaritra dia napetraky ny Firenena Mikambana sy ny mpikambana amin’ny toerana sy hajany araka ny tokony ho izy ny PRRM sy ny delegasionina notarihiny, fa tsy tratry ny « sans qualité » toy ny tamin’ny tetezamita taorian’ny 2009. Ny Filoham-panjakana Malagasy izay noraisin’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana tamim-panajana feno. Tafiditra anaty lahadinika moa ny raharaha Nosy Malagasy ka irariana mba ho voatazona fa tsy hihemotra hatrany toy ny nisy teo aloha. Irariana mba hitondra vokatra ara-toekarena, politika, sosialy,… ihany koa ny fivoriana tahaka itony mba tsy ho ny fandraisana anjara no zava-dehibe.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-sept-2026

Tena tafajoboka lalina, sarotsarotra ny ho aviny ‎

Card image cap
23-sept-2026

ho an’Analamanga sy ny masoivohony

Card image cap
23-sept-2026

Andranomilolo- Andapa

Card image cap
23-sept-2026

Ny sabotsy 19 septambra 2026

Card image cap
22-sept-2026

fanadihadiana parlemantera ny ACM ‎

Card image cap
22-sept-2026

rehetra ao aminy ny FFKM

Card image cap