mavesatra ao Tsimiroro ny OMNIS na ny Ofisy nasionaly misahana ny harenan-kibon’ny tany sy ny indostria stratejika, notarihin’ny tompon’andraikitra voalohany ao aminy Rtoa Stephanie Delmotte. Ny mba hahazoan’ny Malagasy tombony amin’izany no tanjona hoy izy. Mahita ihany koa ny rehetra fa anisan’ny vahaolana ho enti-miady amin’ny delestazy lavareny misy eto amintsika ny fahafahan’ity orinasa iray ity manao izany. Nanomboka tamin’ny taona 2015 ka hatramin’ny taona 2017 mantsy dia tokony hamokatra menaka mavesatra 6000 barila isan’andro ity orinasa iray ity. Niakatra ho 10.000 barika isan’andro izany tamin’ny taona 2017 ka hatramin’ny taona 2019 raha 3500 barika isan’andro eo ho eo kosa no filan’ny orinasa JIRAMA. Nisy araka izany ny fandrafetan’ny OMIS ny drafitra stratejikany ny faran’ny herinandro teo ka nanambaran’izy ireo ny paikady h nentiny nanomboka ny taona 2023 lasa teo ka hatramin’ny taona 2027 ho avy io. Raha tsiahivina kely dia miompana amina zavatra efatra loha no tanjon’izy ireo dia ny hampiroborobo ny sehatry ny fizahantany eto amintsika ka hahazoan’ny Malagasy tombony manomboka any amin’ireo mpitrandraka ka hatrany amin’ireo toerana hivoahan’ny harena an-kibon’ny tany. Ny hanatsarana hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra, ny mba hisian’ny fidiram-bola milamina sy mirindra amin’io sehatra io ary farany izay tsy kely akory dia ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny lafiny sosialy sy ekonomika eto amin’ny tany sy ny firenena.
Pati
Legende : Miezaka manatanteraka fihaonana matetika tahaka izao ny OMNIS !
Avo lenta ny endrika isehoan’ny kolikoly eny anivon’ireo sampan-draharaham-panjakana eto amintsika.
Ory hava-manana ny malagasy, hoy ny fomba fiteny heno matetika taty amin’ny taonjato faha 20.
Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny
Hotanterahana any Adis-Abeba ny 15-16 febroary izany hoe : ny sabotsy sy alahady izao ny
Tsy mitsahatra ny mitady izay fomba hanomezana fahafaham-po antsika mpihaino ny TOP RADIO FM 102.8.
Tena mampiady ny firehana politika tsy mitovy. Tsy ho an’ny olom-pirenena tsotra samy maneho hevitra dia