vaovao eo amin’ny Orange Madagascar sy ny JCI na Jeune chambre internationale. Fifanaraham-piaraha-miasa izay mifototra amin’ny fampandrosoana ny tanora malagasy izy io, hoy ny fanazavana. Maherin’ny 20 taona izao no nitondran’izany Orange Madagascar izany fanohanana hatrany teo amin’ny hetsika ara-tsosialy nataon’ny JCI teto Madagasikara. Teo koa ireo tetikasa maro izay tsy nitondra afa-tsy fahombiazana hatreto. Tsiahivina fa tambazotra ivondronana tanora 18 hatramin’ny 40 taona ny JCI. Toerana maherin’ny 5000 isa amina firenena 115 no misy azy. Ho an’ny eto Madagasikara kosa dia rafitra miisa 15 amina tanàn-dehibe miisa 11 no iasan’ireo mpikambana 350 ao anatiny. Ny fanomezana sehatra ny tanora eo amin’ny lafiny haitarika sy ny fivelarana ara-pihariana maro moa no tena imasoin’izany, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
Goavana ny fanarenana miandry, raha ny toekarem-pirenena eto Madagasikara no asiana resaka.
Nipoitra indray ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ny nanamarika ny tantara tamin’ny 2009
Nanomboka ny alatsinainy 13 ka nifarana ny alarobia 15 janoary 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny
Efa nahazatra ireo mpikirakira fifandraisan-davitra toy ny amin’ny alalan’ny finday hatramin’izay
Hita ho tena sahirana ny vahoaka malagasy, raha ny mikasika ny sosialim-bahoaka tamin’iny taona 2024 iny,
Niato sahady indray ny rotsak’orana izay neverina hifampitohy tao anatin’ny 3 andro,