renivohitra noho ny resaka tsy fankasitrahana ny fomba fiasan’ny orinasa SMGD na «Société municipale de gestion digitale» izay orinasa nampisahanin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha, Naina Andriantsitohaina, sy ny ekipany ny fitantanana ireo fiantsonam-piara sy ny fikarakarana izany eto Antananarivo ary ny manodidina izay rehetra, raha hazavaina tsotsotra. Hita ho mikasa hanavao ny fomba fiasan’izany orinasa izany indray moa ankehitriny ny filohan’ny delegasionina manokana, Richard Ramanambitana, sy ireo mpiara-miasa aminy ary nanoloana izany dia tazana ho nanangam-bovona indray ny mpanolontsain’ny tanàna niara-niasa tamin’ny ben’ny tanàna teo aloha, Lalatiana Ravololomanana, ka nilaza ho manohy ny fiarovana ny tombontsoan’ireo mpivarotra izay efa nosantarin’izany ben’ny tanàna izany. Tsy mankasitraka ihany koa ny fomba fitantanana an’Antananarivo ankehitriny. Rehefa jerena, etsy ankilan’izay, ny mombamomba ity orinasa voalaza teo ity, efa nampahatsiahivin’ireo mpitantana tamin’izany rahateo moa, dia orinasa tsy miankina izy io fa miara-miasa amin’ny kaominina kosa. Ny tena mahagaga dia hoe mandritry ny 99 taona ny fifanarahana aminy, izany hoe, natsangan’ireo mpamorona azy ho mandra-maty. Tena hanasoavana ny tanànan’Antananarivo tokoa ve sa nokasain’ireo nanangana azy hanaovana bizna ho tombontsoan’izy ireo manokana?
J. Mirija
Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka
Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa
Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa
Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly
Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo
Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny