Tsy handalo fotsiny izany ho an’ny orinasa Star fa hanana ny tantarany, antony namoahan’izy ireo ilay vokatra vaovao antsoina hoe : labieran’ny fahaleovantena na ny THB Indépendance. Manome voninahitra ny tantaram-pirenena ary manome lanja ny vokatra malagasy natao ho an’ny malagasy ity labiera ity, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Na izany aza anefa dia vokatra mandalo mandritra ny 2 volana ihany izy ity. Ahitana ny tahan’ny alikaola 6,5%, ao anatiny miampy ny tsiro sy loko « ambrée » miavaka amin’ny THB mahazatra. Tavoahangy 33 cl ihany koa no misy azy raha 2500 Ar no vidiny. Marihina fa mitoetra maharitra kosa ny labiera THB hatramin’izay izay ahitana tahan’alikaola 5,4% miloko blonde. Nanomboka ny taona 1980 izy no efa nandray anjara tamin’ny fifaninana « Monde selection Bruxelles », ary efa nahazo ny medaly volamena. Nahazo izany medaly volamena izany indray ny THB tamin’ity taona 2025 ity, izay maneho ny fahaiza-manao fanta-daza maneran-tany ary manome antoka fa tsy miova ny kalitaon’ny vokatra. Omaly no nampahafantarina ny mpanao gazety tamim-pomba ofisialy ity vokatra vaovao ity.
Pati
Legende : Afaka misotro ny labieran’ny fahaleovantena koa ny vehivavy !
Miha zava-doza hatrany ny delestazy, saingy tsy manam-bahaolana ny Fanjakana.
Nitsotra indray ny SERA (Sehatry ny Raiamandreny) manoloana ny
Ankoatr’ireo lasan’ny Sinoa, dia mbola nisy ambikambiny toa notaterina heverina fa
Raha tsy misy ny fiovana farany, hiakatra fitsarana anio talata 24 jnona i ny mpanao gazety Fernand Cello
Mitohy ny antsojay mahazo ireo mponina eny Imerintsiatosika,
Ho fanamafisana ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany mandritra ny ny fankalazana