airtel

Actualités

28-mai-2025

Orinasa Star

Hamoaka ny vokatra « Labieran’ny Fahaleovantena »

Sample post image

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

28-mai-2025

Tsy handalo fotsiny izany ho an’ny orinasa Star fa hanana ny tantarany, antony namoahan’izy ireo ilay vokatra vaovao antsoina hoe : labieran’ny fahaleovantena na ny THB Indépendance. Manome voninahitra ny tantaram-pirenena ary manome lanja ny vokatra malagasy natao ho an’ny malagasy ity labiera ity, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Na izany aza anefa dia vokatra mandalo mandritra ny 2 volana ihany izy ity. Ahitana ny tahan’ny alikaola 6,5%, ao anatiny miampy ny tsiro sy loko « ambrée » miavaka amin’ny THB mahazatra. Tavoahangy 33 cl ihany koa no misy azy raha 2500 Ar no vidiny. Marihina fa mitoetra maharitra kosa ny labiera THB hatramin’izay izay ahitana tahan’alikaola 5,4% miloko blonde. Nanomboka ny taona 1980 izy no efa nandray anjara tamin’ny fifaninana « Monde selection Bruxelles », ary efa nahazo ny medaly volamena. Nahazo izany medaly volamena izany indray ny THB tamin’ity taona 2025 ity, izay maneho ny fahaiza-manao fanta-daza maneran-tany ary manome antoka fa tsy miova ny kalitaon’ny vokatra. Omaly no nampahafantarina ny mpanao gazety tamim-pomba ofisialy ity vokatra vaovao ity.
Pati
Legende : Afaka misotro ny labieran’ny fahaleovantena koa ny vehivavy !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap