airtel

Actualités

22-sept-2026

Parking

ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina

Sample post image

Handoavana 15000Ar isaky ny fiara tsy misy entana

22-sept-2026

Ahemotra amin’ny 28 septambra ny fanombohan’ny fandoavana saran’ny parking ho an’ireo kamiao tsy misy entana mizotra mankany amin’ny Seranan-tsambon’i Toamasina, araka ny serasera sy filazam-baovao natao. Ny antony dia ny fanatanterahana ireo fepetra ara-pahasalamana sy ara-piarovana amin’izao fotoana izao. Eny Tsarakofafa, manoloana ny Tobim-pandanjana, no toeram-piantsonana vonjimaika ho an’ireo fiarabe tsy misy entana hihazo ny seranan-tsambo mandra-pahavitan’ny parking lehibe izay vinavinaina ho amin’ny faran’ity taona ity. Handoavana 15 000 Ariary isan’andro isaky ny fiarabe ny fijanonana eo amin’io toerana io manomboka amin’ny 28 septambra. Miantso ireo mpitatitra hanaja ny fandaminana ny SPAT (Société du Port à gestion autonome de Toamasina) mba hanamorana ny fivezivezena sy hanatsarana ny fitantanana ny kamiao ao Toamasina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2026

fanadihadiana parlemantera ny ACM ‎

Card image cap
22-sept-2026

rehetra ao aminy ny FFKM

Card image cap
22-sept-2026

Iles Eparses, hitad mpiara-miombon’antoka

Card image cap
22-sept-2026

7 lahy voasambotra sy nidoboka am-ponja

Card image cap