Hatramin’izay dia kely ny fampiasantsika ny vola azo satria tsy mahatoky antsika ireo mpiara-miombona antoka, ny praiminisitra Rajaonarison Mamitiana omaly. Etsy ankilan'izay lasa lava be ny fotoana hamoahana ny vola. Raha « procedures no olana dia efa manova izany ny governemanta. Raha olona no olana dia alana ireo izay sakana ary saziana», hoy hatrany ny lehiben’ny Governemanta. Ny tena fanamby dia ny hananan’ny mpamatsy vola fahatokisana an’i Madagasikara ary mampihena ny fotoana lany ao anaty fikarakarana sy antontan-taratasy lavareny, hoy ny fanazavany.Mazava ny resaka eto fa misy fanatsarana fomba fiasa tsy maintsy atao, misy fanavaozana tsy maintsy irosoana amin'ny fomba fiasan'ny fanjakana. Raha tsy izay dia ny teo aloha ihany no hiverina. Tsara ho marihina fa manodidina ny 512 tapitrisa dolara isan-taona ny fahafahan'i Madagasikara mampiasa anaty tetikasa ny famatsiam-bola azony. Io ilay hoe "capacité d'absorption"; etsy ankilan'izay anefa dia tsara ho fantatra ihany hoe manodidina ny 3,5 miliara dolara isan-taona ny tetibolam-panjakana eto Madagasikara.
RTT