akaikin’ny tranon’ny Filohan’ny Antenimierampirenena ny talata 21 novambra lasa teo. Efa fantatra avokoa ny anaran’izy ireo, dia Mampihongo Roberto Carlos, Edmond Razafimahatratra, Beharimanana Normand, Maherison Franck, Andrianiaina Lucphane Delmin. Tonga dia nivoaka avy hatrany ny mikasika an’i Roberto Carlos, izay nomarihin’ny Sampan-draharaha teo anivon’ny Ivon-toerana nasionaly momba ny antontan’isa na INSTAT, fa Tale tao tokoa ity farany teo aloha, ary ilay fiara nampiasainy izay feno diam-bala, dia fiaram-panjakana efa nandefasana taratasy ny hamerenany azy ny 19 jona 2023, saingy tsy naveriny. Voalaza fa nisy volabe tao anatin’ny fiara izay tsy nisy moa ny tatitra ofisialy momba izany. Ny loharanom-baovao hafa ihany koa dia milaza fa mpanolontsaina amin’ny andrim-panjakana lehibe iray i Roberto Carlos ? Voalaza fa tsara fifandraisana amin’ny Filohana andrim-panjakana iray ? Mampametra-panontaniana noho izany hoe : tena tsy misy ifandraisany amin’ny politika avo lenta ve ity raharaha ity ? Tena fanafihana tranona jeneraly teo akaikin’ny tranon’ny Filohan’ny Antenimierampirenena tokoa ve no tao ambadika ? Mbola resaka hafa ny fisiana dosie misy fitomboky ny Bianco ka sao mba misy ifandraisany amin’ny mety ho fivoahana tsiambaratelo sy politika avo lenta ? Andrasana ny mety ho fanazavana sy tatitra ofisialy amin’ny antsipirihany izay mety hanamarina na handiso ny resaka manomboka misy manaparitaka, milaza fa nikasa hanatitra dosie goavana mety mifandraika amin’ny politika i Roberto Carlos no io maty rotiky ny bala io, ary mpiambina azy manokana ireo sasany niara-maty taminy. Nanao fanamian’ny mpitandro filaminana ireo fa nesorina ? Somary manaitra ihany koa ny hoe manodidina ny 5000Euros na any ho any amin’ny 4 tapitriasa Ar eo ny vidin’ny iray amin’ilay karazana basy Wilson, izay tsy azon’ny sivily tazonina ihany koa. Somary mampametra-panontaniana hoe : Tsy nisy tatitra mazava aloha hoe : ohatrinona marina ireo volabe voalaza fa tao anaty fiara ? Ny azo lazaina dia tsy olonolom-poana ity Roberto Carlos ity, efa nanana andraikitra tamina andrim-panjakana lehibe samihafa, heverina ho tompon’ny afera ihany koa anefa,… Tena asan-jiolahy tsotra tokoa ve no niseho sa mety ho antony hafa mihitsy na « règlement des comptes » mety misy ifandraisany amin’ny toe-draharaha politika ankehitriny ? Any amin’ireo 2 lahy tafatsoaka tamin’ny moto ny fanalahidin’ny tsiambaratelo rehetra momba iny raharaha iny!?
Toky R
Toerana maro teto Antananarivo no nahitana rotaka vokatry ny fahatezeram-bahoaka
Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry
Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,
Nikoropaka nanao Filankevitry ny Minisitra manokana andro sabotsy ny Fanjakana Rajoelina ny 14 jona teo.
Iray tamin’ireo mpandray anjaran’ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques)
Mbola tafiditra anatin’ny Firenena izay mbola sarotra ny fikarakarana taratasy i Madagasikara.