airtel

Actualités

22-sept-2026

‎RAHARAHA BOEING 777

Mangataka ny hanokafana

Sample post image

fanadihadiana parlemantera ny ACM ‎

22-sept-2026

Tonga teny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza omaly ny tale jeneralin’ny ACM Faniry Rakotoarisoa, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Babah. Nametraka fangatahana fanokafana enquête Parlementaire ny tenany mba hivoahan’ny marina mikasika ireo Boeing 777-200 nivily lalana. Ny filohan’ny kaomisiona misahana ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro no nandray an-tanana izany ary fantatra fa hanangana komity hijery akaiky izany ny tenany. Efa 2 taona aty aoriana mantsy hoy izy tsy mbola misy tohiny ihany iny raharaha iny nefa tena hiankinan’ny asa hatao sy ny ho avin’ny ACM tanteraka. Mety hanimba ny endrik'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa ny tranga tahaka izao ka hiverenan’ny sazy tsy hahafahana misidina ny faritr’i Eoropa sy hahazoana ilay Probleme Grave de Securite na ny PGS. Mila hita sy mivoaka ny marina hoy Faniry Rakotoarisoa. Na ny tenany aza mantsy dia efa tena mahatsiaro ho sanganehana manoloana ny fifanondroana molotra hataon’ny sasany milaza fa raanona no manana ny marina, raanona no fositra.... Nambarany moa fa efa eo am-pelatanan'ny tendrom-pitsarana misahana ny kolikoly na (PAC) ny fanadihadiana ary mety hiakatra amin’ity herinandro ity ihany koa. Ilaina hatrany anefa ny fanokafana ny fanadihadiana hataon'ireo solombavambahoaka mba hanafaingana ny raharaha. Tsiahivina fa olona miisa roa no efa naiditra am-ponja noho ity raharaha ity ka anisan'izany ny Minisitry ny fitaterana teo aloha sy inspektera iray niasa teny Ivato.
Pati
Legende : Ny tale jeneralin’ny ACM Rakotoarisoa Faniry !

 

Dans la même rubrique

22-sept-2026

rehetra ao aminy ny FFKM

Card image cap
22-sept-2026

Iles Eparses, hitad mpiara-miombon’antoka

Card image cap
22-sept-2026

Handoavana 15000Ar isaky ny fiara tsy misy entana

Card image cap
22-sept-2026

7 lahy voasambotra sy nidoboka am-ponja

Card image cap