airtel

Actualités

06-mai-2025

Raharaha Kolonely Patrick Rakotomamonjy

Mitaky fanadihadiana mahaleotena ny Transparency international

Sample post image

Takiana ny fanadihadiana mahaleotena ary firaisana tsikombakomba ny fahanginana

06-mai-2025

mikasika ny raharaha Kolonely Patrick Rakotomamonjy, hoy ny Transparency International Initiative Madagascar. Tsy tokony ho henoim-potsiny ny fanamelohana nataon’ity Kolonely tale tekinika lefitra ao amin’ny «Centre hospitalier universitaire de Soavinandriana» na CENHOSOA ity, ny 4 may 2025 ary miparitaka manerana ny tambazotra sosialy, hoy ity rafitra iraisampirenena ity. Fanamelohana mahery vaika loatra izy ireny ka tsy tokony ho rano raraka. Antsoina, noho izany, ny tomponandraikitra hanefa ny fanadihadiana tsy misy hatak’andro, mahaleotena, matihanina, mangarahara mba hanatsoahana ny tena marina manoloana izao ahiahy naseho masoandro izao. Maneho koa ny tahotra iainan’ny olompirenena, izay soloin’ny fiarahamonim-pirenena tena ireo ahiahy voalaza ireo. Takiana amin’ny fanjakàna, noho izany, ny hanatontosa ny andraikiny amin’ny fikatsahana ny marina. Eo am-piandrasana izany fanadihadiana izany sy izay ho valiny, dia takiana ny fiarovana ireo olona izay nanome tanana hahafahana maneho am-pahibemaso izao ahiahy goavana izao ka ilàna fanadihadiana matihanina araka izay voalaza. Ny valim-panadihadiana mahaleotena ihany no hanamarina na handiso izay voalaza. Tsy ampy ilazàna ny marina sy diso momba ireo fanambaràna mahery vaika ireo velively ny famoahan’ny fanjakàna na ny orinasa tsy miankina fanambaràna na sy/na fitsipahana na koa fandrangarangana fitoriana. Izao tranga izao koa dia mampahatsiahy ny maha laharam-pahamehana ny fametrahana fomba maty paika hahafahana mandray ny fitorohana toy izao sy isorohana ny antsojay samihafa mihatra amin’ny mpisintona lakolosy. Ilaina izany ho an’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fiahiana ny mangarahara sy ny fahamarinana. Averinay koa ny antso ho an’ny fanasaziana henjana ho an’ireo olona manana toerana aman’andraikitra ambony anaty fitondràna izay mihevi-tena ho tsy maty manota ka mampiasa fomba an-kolaka ialàna amin’ny lalàna velona. Izany fomba izany sy ny fisiana sazy mihatra amin’ny mpanao azy dia mamparefo ny fanjakàna tan-dalàna sy manome vahana ny fambaboana ny fanjakàna. Firaisana tsikombakomba daholo na ny fahanginana na ny tsy an-kihetsika, hoy hatrany ity rafitra ity.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Na dia hita ho toy ny lasa «fanalàna», araka ny fitenin’ny tanora,

Card image cap
05-juin-2025

Kaominina miisa 7 ahitana an’Ambatomena, Ibity, Maneva, Ankaromalaza Mifanasoa, Vohitsaoka,

Card image cap
05-juin-2025

Nanatanteraka ny diaben'ny fahaleovantena niaraka tamin'ireo mpikamban'ny

Card image cap
05-juin-2025

Mitondra rivo-baovao ny AXCEL COMPANY

Card image cap
05-juin-2025

Mitondra tombony 18 miliara Ariary ho an’ny fanjakana Malagasy ny fananany

Card image cap
05-juin-2025

Tontosa omaly tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina na ny Tranoben’ny varotra sy indostria

Card image cap