izay nodimandry teo amin’ny faha-56 taonany. Niteraka fanehoan-kevitra maro ny zavatra nampiainana azy nialohan’ny nahafatesany. Nitondra fanazavana ny manam-pahefana tamin’ny alalan’ny Inspecteur d'administration Pénitentiaire, Raloa Pierre Auguste, Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja faritra Diana omaly, nilaza fa tamin’ny ny 16 jona 2022 no naiditra am-ponja tao Nosy-Be Hell-Ville i Ninie Donia. Nambara fa nanao krizy ary tsy salama izy rehefa niditra tao. « Aminay dia manana zo hitsabo izy ary nalefa tany amin’ny hopitaly. Rehefa nahazo fahasalamana izy dia niverina tao amin’ny fonja indray. Taorian’izay dia mbola nihetsika ihany koa ary efa saika natao "évacuation" fa tsy ampy ny ho enti-manana ka voatery nanaraka fitsaboana tao Nosy be ihany izy. Volana lasa izay dia nanao krizy indray izy dia nalefa tany amin’ny hopitaly. Marihina fa « Cancer des pancréas phase final » no nahazo an’ny Tompokovavy. Izay ny zava-misy nahazo azy. Tsy marina ny filazana hoe nomena poizina na nitsindromina "piqûre" izy araka ny feo mandeha. Nahita izany ny fianakaviany ary nahita fa tsy niala hatramin’ny farany izahay ary nanao izay vitanay izahay », hoy hatrany ny Raloa Pierre Auguste.
FAMPIJALIANA SY FANAGIAZANA NY KAONTIM-BOLANY ?
Andaniny anefa, ny volana janoary no voalaza fa efa nangataka fahafaha-mitsabo tena tany Mayotte izy fa tsy navela. Tranga iray hafa ihany koa ny namerenana azy haingana tany am-ponja taorian’ny fitsidihan’i Siteny Randrianasoloniaiko azy nandritra ny fanaovan’ity farany Mihava Tour volana vitsy lasa izay. Nandohalika ny hanafahana azy ny mpanakanto Wawa ny volana aogositra teo, izay nahazo fampanantenana fa havoaka, saingy tsy izay no niseho, ary ny havan’i Ninie Donia nitaraina fa vao mainka natao any amin’ny ratsiratsy kokoa. Ny mpanakanto Rivera ihany koa omaly dia nitantara ny fitarainan’i Ninie Donie, izay voalaza fa nogiazana hatramin’ny kaontiny amin’ny banky. « Misy vola izaho zandriko fa giazan’ireo amin’ny banky ny volako tsy azo kitihina. Isaky ny roa andro mandany farafahakeliny 6 hetsy Ar. Sakafo tsizarizary‚ indraindray tsy voavidy fanafody... Koa hitanao izaho ato tsy hainao‚ ny hoditro niova. Fotsy volo jiaby‚ Indraindray izaho na mitsangana tsy vita malemy ho azy. Marina antsika tsy maintsy ho maty fa ilay maty ny gadra hoe “Nigadra mandra-pahafaty”, tsy namono olona‚ tsy nanolan-jaza tsy ampy taona‚ tsy nanimba hoavin’olona...», hoy i Rivera mitantara ireo hafatra nalefan’ny mpanakanto Ninie Donia taminy. Toa manamafy ny fampijaliana mivantana na ankolaka. Efa vita ny adiny ary tsy finiavana handrirotra ny raharaha momba azy fa moa mba hahay haka lesona ve isika eo anatrehan’ny famotehana fiainanan’olona noho ny tsy fitovian-kevitra ara-politika na koa noho ny fanelingelenana ny tombotsoan’ny matanjaka ?
Toky R
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira