airtel

Actualités

27-nov-2024

Raharaham-panjakana

Nilaza hanatsahatra ny asany ireo « Corps à vocation administrative »

Sample post image

Nisy ny fanambarana fanampiny nataon’ny « Confédération des corps à vocation administrative»,

27-nov-2024

izay ivondronan'ny « corps » telo, dia ny Attaché d'Administration, ny Adjoint d'Administration ary ny Assistant d'Administration. Araka ny lalam-panorenana, andininy faha-30, faha-31 sy ny faha-32, ny Sata mifehy ny mpiasam-panjakana raikitra (Loi n° 2003-011), andininy faha 09 sy faha 11 sy ireo lalàna mikasika ny asam-panjakana rehetra, dia mananjo haneho hevitra sy hanao hetsika ara- tsendikaly ny fikambanana sendikaly rehetra, rehefa mahafeno sy manaraka ny fepetra voalazan'ny lalana manankery, hoy izy ireo araka ny fanambarana an-taratasy navoakany izay nosoniavin’ireo mpitarika. Nivoitra tao anatin’izany, fa araka ny fivoriam-be tsy ara-potoana natao teto Antananarivo, ny zoma faha 04 oktobra sy raka ny taratasy filazana fanairana nalefa ho an'ny tompon'andraikitra rehetra teto amin'ny firenena tamin'ny 15, 16 sy 17 oktobra 2024, ary ny taratasy fampahatsiahivana natao ny 14 novambra 2024 dia : misy ny fitsaharan'asa ataon'ny mpikambana rehetra ato anatin'ny « Confédération des corps à Vocation administrative » manerana ny Nosy, amin'ity herinandron’ny 25 novambra 2024 ity, hoy ny fanambarana izay narahana fialan-tsiny noho ny mety ho fikorontanana aterak’izany. Tombotsoan'ny be sy ny maro sy fanatsarana hatrany ny tolotra momba ny asam- panjakana no tanjona, koa manentana antsika rehetra ho tony hatrany ! Tsy misy resaka politika tompoko izao hetsika izao fa tena hetsika ara- tsendikaly tanteraka, hoy ny fanambarana. Hanao ahoana ny tohiny ? Hivaha ve ny olana ? Hohenjehina araka ny fahita hatramin’izay ve ireo mpitarika sendikaly ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-juin-2025

May ny tsenan'i Miandrarivo any amin'ny distrikan'i Faratsiho.

Card image cap
03-juin-2025

Nisehoana haintrano mahatsiravina koa tany amin'ny Fokontany Ambodiakondro,

Card image cap
03-juin-2025

Tranga mampalahelo mateti-pitranga eto amintsika ny fandrenesana olona maty an-drano.

Card image cap
02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap