airtel

Actualités

14-mai-2025

Rakotra kolikoly sy sehatra rehetra

Olona 174 nogadraina, vola sy fananana 23,8 miliara Ar nogiazana

Sample post image

598 tranga kolikoly no voamarika, ary efa nalefa tany amin’ireo Fitsarana manan-kambara ny

14-mai-2025

Firaketana an-tsoratra mifandraika amin’izany. Midika izany fitomboana 7,5% raha oharina amin’ny taona lasa. 174 naiditra am-ponja vonjimaika, izay nahitana fitomboana goavana hatrany amin’ny 83,16%, raha ny tatitra ofisialin’ny Bianco ho an’ny taona 2024 omaly 14 mey. Nahatratra 𝟐𝟔𝟖𝟖 ny fitarainana voaray, ka ny 1322 no azo nanaovana fanadihadiana, izany hoe 49,18%. 1950 kosa ny fanadihadiana vita ka olona 680 no nosamborina ka nivoahan’ilay 174 naiditra am-pônja vonjimaika. Nisy mpikamban’ny governemanta iray sy mpikambana anaty andrim-panjakana miisa 10 nohadihadiana, saingy tsy nisy nogadraina, raha ny hita ao anaty tatitry ny Bianco. Sehatra 17 teo no isan’ny lohalaharana amin’ny kolikoly, ka ny 6 voalohany dia ny : Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (23,41%) nahitana olom-boafidy 223 nohadiana, 71 nosamborina, 26 naiditra am-ponja. Ny tontolon’ny fananan-tany (14,21%) izay nisy olona 100 nohadihadiana, 43 nosamborina, ary 7 naiditra am-ponja vonjimaika. Ny fanabeazana (13,71%) izay nahatratra 154 ny nohadihadiana, 36 nosamborina, 4 naiditra am-ponja. Ny Zandarimariam-pirenena (7,86%), Fitantanana ny lafin-tany (7,86%) izay nahitana mpisam-panjakana sokajy ABCD 131 nohadihadiana, 46 nosamborina, 11 naiditra am-ponja. Miisa 58 ihany koa ny tompon’andraikitra ambony notendrena tamin’ny didim-panjakana nohadihadiana, 36 nosamborina, 13 naiditra am-ponja vonjimaika. Eo amin’ny faha-6 ny Fitsarana (6,02%) izay olona 23 no nohadihadiana, saingy tsy nisy nosamborina na naiditra am-ponja vonjimaika. Saika ahitana mpanao kolikoly avokoa ny sehatr’asa sy ny seha-pihariana rehetra fa ny maro voakasika dia ny olom-boafidy, ny mpiasam-panjakana amin’ny sehatry ny fanabeazana, ireo mpiasam-panjakana ambony sokajy ? ary ireo mpiasam-panjakana miasa amin’ny fananan-tany . Miisa 25 ny fanagiazana natao ka mitentina 23 796 932 000Ar na 23,8 miliara Ar eo ny teti-bidin’izany, ahitana kaonty amin’ny banky, trano, tany, fiara, fanaka.
MBOLA LAVITRY NY KITAY NY AFO…
Ny janoary hatramin’ny aprily 2025, nahatratra 184 ny trangana kolikoly tratra, 581 ny olona nohadihadiana, 32 naiditra am-ponja vonjimaika. Manodidina ny 100 033 205 403Ar ny tomban’ny kolikoly. Nahatratra 94 215 380 000Ar ny fananana nogiazana nahitana fiara, moto, sambo, trano, fanaka. Raha ny tatitry ny Bianco, mahatratra 1 092 693 000 Ariary ny vola nampiasaina ho amin’ny fampandehanan-draharaha ary maro ireo mpiara-miombon'antoka manohana ny ady amin’ny kolikoly. Tanjona ho an’ny 2025 ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena vaovao (2025-2030), hoy ny Bianco. Na eo aza ny fanehoan’ny Bianco fa tena niasa araka ny tatitra nataony, mbola tsy azo lazaina ho mahomby ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara satria mbola any amin’ny faha-140 amin’ny firenena 180 amin’ny mari-pandrefesana ny kolikoly na IPC 2024, zara raha nahazo naoty 26/100,… Mbola sarotra ny fanenjehana ireo trondro vaventy raha tsy hilaza afatsy ny fiarovana ny fandehan’ireo dosie maloton’ireo olona ambony ao amin’ny Antenimierampirenena fa tsy mety miampita amin’ny HCJ noho ny fifampiarovana politika,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

04-juin-2025

Niakatra ny fanjifana tao anatin’ny 2 taona, miakatra 5% isan-taona ny filàna herinaratra,

Card image cap
04-juin-2025

Nisy fiakarany ny fampiasam-bola mivantana avy avy any ivelany (IDE) tamin’ny taona 2024,

Card image cap
04-juin-2025

Fety goavanambe no hotanterahina ao anatin'ny kaominina Ivato, distrikan'Ambohidratrimo

Card image cap
04-juin-2025

Am-pifaliana no ilazàna amintsika fa nanaiky ny fandaminana ny tsena eto Antehiroka

Card image cap
04-juin-2025

Mirongatra be amin’izao fotoana izao ny antsoina hoe «Punaises de lit» na haom-pandriana,

Card image cap
03-juin-2025

May ny tsenan'i Miandrarivo any amin'ny distrikan'i Faratsiho.

Card image cap