Fantantsika, hoy ny Randrana sendikaly, fa ny mpampiasa dia mitady hevitra foana hanerena ny mpiasa amin’ity resaka delestazy ity. Ny azy tsinona, hoy ny sekretera jeneralin’ity sendika ity, Barson Rakotomanga, dia hoe tsy maintsy aloha ny volan’ny fanjakàna. Na mamokatra na tsia ilay orinasa dia tsy maintsy aloha io. Ny ain’ny mpiasa foana izany no poretina dia tonga ny resaka hoe tsy misy resaka karama amin’ity. Lasa atao fialàn-tsiny izao izany. mihazakazaka be aty aminay indray izao ireo miasa tena. Efa nikaikaika ireo teo amin’io resaka delestazy io dia vao mainka moa izao ilay izy miha mafy ary tsy ireo ihany fa ny vahoaka manontolo mihitsy izao no mikaikaika. Mihazakazaka ny solombavambahoaka manao ny lalàna momba ny toaka gasy. Nampiantso minisitra vitsivitsy. Mikasika ny resaka Base Toliara moa no tena saika ho resahana dia tampotampoka eo dia hoe foana tao anatin’ny in-dray mipi-maso ilay fandaharam-potoana. Fotoana nefa izao tokony hampisehoan’ireo solombavambahoaka ireo ny andraikiny hoe natao hanery ny fitondràm-panjakàna mpanatanteraka izy satria tsy Antananarivo irery ihany no mikaikaika amin’ny delestazy fa Madagasikara iraimanontolo mihitsy. Inona izany no andrasan’ireo depiote ireo? Ohatran’ny miady an-trano indray aza ry satria ny filohan’ny antenimieram-pirenena manafoana tetiandro nefa raha ny tokony ho izy dia manery ny governemanta hoavy any izy ary hanery ihany koa hikitika ny tetibola hahafahana mamaha haingana ity delestazy ity. Tsy maintsy misy resaka vola foana tsinona izany no mahatonga an’io tsy voavaha toy izao. Hatramin’izay tsy hita ny fanapahan-kevitry ny mpanatanteraka dia miantehitra ny olona hoe anatina fivoriana ara-dalàna izao ny solombavambahoaka, tokony mampiseho izy hoe afaka manara-maso. Tsy fihetezana no zava-misy amin’izao. Andrasana hiady ve ny vahoaka samy vahoaka? Izay izao no hita amin’ny zava-miseho toy ny teny Andraharo sy Tanjombato ireny. Ohatran’ny hoe eny amin’ny orinasa dia ny mpiasa sy mpampiasa no hampiadian’ny fitondràm-panjakàna amin’ny alalan’io resaka delestazy io. Ny parlemantera mihitsy, hatramin’ny loholona, moa no andrasana satria samy tokony hanery ny fanjakàna hoe ajanony ny fandanindaniam-poana toy ireny filankevitry ny minisitra mitety faritra ireny! Amin’io mbola hampanatrehana an’ilay izy koa ireo depiote. Maninona no tsy afantoka amin’io delestazy mamotika famokarana io ny famahana ny olana? Manery mpitondra fa tsy miady an-trano no tokony ataon’ny depiote, hoy hatrany ny Randrana sendikaly!
J. Mirija
May ny tsenan'i Miandrarivo any amin'ny distrikan'i Faratsiho.
Nisehoana haintrano mahatsiravina koa tany amin'ny Fokontany Ambodiakondro,
Tranga mampalahelo mateti-pitranga eto amintsika ny fandrenesana olona maty an-drano.
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny