airtel

Actualités

02-sept-2026

Randrianasolo Jean

Fanindroany hitety

Sample post image

an'i Madagasikara amin'ny bisikileta

02-sept-2026

Raha nalaza amin'ny fitetezana an'i Madagasikara ry "Zoto" Ramorasata Louis Michel izay nahavita nitety an-tongotra an'i Madagasikara in-telo miantoana nivoy ny "firaisam-pirenena" ; notohizan'i "Zoto" Randrianarison Maurice niaraka tamin'ny vady aman-janany izay nihodina an'i Madagasikara in-droa miantoana sady nitondra bisikilety dia manoratra ny tantarany koa ankehitriny Randrianasolo Jean. Fanindroany koa ity farany izao no mihodidina an'i Madagasikara amin'ny bisikileta, mitety ireo Faritra 24. Teo amin'ny faha-35 taonany, ny taona 2000, no nanaovany "Tour de Madagascar" voalohany. 62 taona Randrianasolo Jean, ankehitriny no manatanteraka indray fihodinana an’i Madagasikara amin’ny bisikileta. Ny 23 jolay no niainga tao Tsiroanomandidy Bongolava ary nitety ny Faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Ihorombe ary niato kely tao Fianarantsoa Matsiatra Ambony. Manohy ny diany mianavaratra miazo ny Faritra Amoron'i Mania, Vakinankaratra, Analamanga, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Analanjirofo, Ambatosoa, DIANA, SAVA, Sofia, Boeny, Betsiboka avy eo hiverina handalo eto Antananarivo ary hitodi-doha any Tsiroanomandidy hamaranany ny diany. Lamba fiarakotra, akanjo fisolo, rano ary fitaovana fikojana ny bisikiletany no entany miaraka aminy. Misy ny tsara sitrapo manohana azy ara-tsakafo sy mpampiantrano azy amin'ny tany lalovany. Toa mifandray aman'olona ihany koa izy 034 24 065 63, ary mivatsy penina sy kahie andraketany ireo zavatra manamarika azy eny amin'ny lalana sy tanàna lalovany. Salama tsara Randrianasolo
Jean. Jean D.
Randrianasolo Jean tamin'ny fandalovany tao Fianarantsoa
 

Dans la même rubrique

11-sept-2026

Hivaly ny 12 oktobra ny fangatahan-dRavatomanga

Card image cap
10-sept-2026

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

Card image cap
10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

Card image cap
10-sept-2026

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap