airtel

Actualités

14-févr-2024

RANO TRAMBO TANY BENENITRA

Olona 11 no namoy ny ainy, 25 hafa tsy hita

Sample post image

Nisy rano trambo nandalo tany amin’ny distrikan’i Benenitra,

14-févr-2024

afak’omaly Alatsinainy 12 Febroary raha araka ny tatitra nataon’ny Tale jeneralin’ny Birao nasionaly misahana nyh loza voajanahary ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja tamin’ny mpanao gazety omaly. Vokatr’ilay andro ratsy eto amin’ny Nosy no mahatonga izany izay notsindriany fa manomboka any amin’ny farany Atsimo ka hatrany amin’ny Avaratra Atsinanana. Olona 11 isa no fantatra fa namoy ny ainy tao Benenitra raha 25 hafa kosa no tsy hita popoka, vokatra mbola tsy ofisialy. Efa lasa any an-toerana nijery ny tena zava-misy marina moa ireo tompon’andraikitra anny amin’ny faritra Atsimo Andrefana, tarihin’ny prefet sy ny Ministeran’ny mponina. Ankoatra ny tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana moa dia lasibatra ihany koa ny faritra Analanjirofo. Tetezana iray mampitohy an’Ampasimpontsy lalana ao Fenoarivo Atsinanana sy Toamasina no tapaka vokatry ny ora-mikija tany an-toerana nanomboka ny Alatsinainy alina teo. Tokantrano maro avy amin’ny Fokontany maro ihany koa no traboina ao Fenoarivo Atsinanana miampy ny fahafatesan’ireo biby fiompy sy ny fahasimban’ireo entan’ny mponina. Miato vonjimaika ny fampianarana rehetra ao anatin'ny fari-piadidiam-pampianaran’i Fenoarivo Atsinanana vokatr’izany ho fiarovana ny ain’ny mpianatra. Miverina kosa ny fampianarana rehefa hita fa midina ny rano.
Pati
Legende : Tahaka izao no hiainan’ny mponina ao Fenoarivo Atsinanana amin’izao izay efa nampian’ny zandary !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap